APOLLO 21

Sambondanitra indray izao no malaza eto amintsika.
Tena tsy an’ny amerikana ary tsy an’ny sovietika,
Fa dia gasy no mpamorona, gasy koa ireo mpilalao,
Ka dia tsy hay na zava-misy na koa lainga lava izao!

Be girady sy be bokotra no lazaina ho atidoha
Voampanga ho mikononkonona ny hamonoana ny filoha.
Ka raha izany dia tsy lavitra fa ny akaikikaiky ihany,
Ireo manoman-teti-dratsy sy mitady ho be vinany!

Sambondanitra indray izao no malaza eto amintsika.
(Nahatohina ny sasany amin’ny mpino katolika!)
Zavatra tsy mety mantsy ny amin’ny sary sy ny teny,
Manameloka sahady ilay nataony ho olobeny!

Tena misafotofoto ny amin’ity ilay sambondanitra,
Fa toa zary nafangaro na ny maimbo na ny manitra!
Etsy andaniny dia misy ireo akama tiana havotana.
Etsy ankilany kanefa, misy ireo izay tiana hongotana!

…Na iretsy mpilalao na ‘lay lazaina ho mpamorona,
Dia tsy hafa f’ireo foza efa zatra ny “mitorona”!
Ka dia miandry, samy miandry izay ho tohiny eto isika,
Fa ity ilay sambondanitra feno resa-politika!

TSIMIMALO (04-08-21)