Raharaham-pirenena – Miezaka manamarin-tena hatrany Rajoelina

Andry Tsiavalona

Mbola mitohy ihany ny filalaovana ny fihetsempon’ny vahoaka ataon’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izay efa nataony tamin’ny fampielezan-kevitra fony izy kandidà ho Filoham-pirenena. Tsara foana ny mampahatsiahy ny nandalovana teo amin’izany filalaovana ny fihetsempon’ny Malagasy, izay malaza ho olon’ny fo. Nanantena ny rehetra tamin’ny nisafidianan-dRajoelina Andry, ny Soratra Masina: « Fitiavana no lehibe indrindra » 1Korintiana13 : 13, fa tena olon’Andriamanitra tokoa izy ka azo antoka fa hanao ezaka hampifankatia ny mpiray Firenena aminy izy rehefa tonga eo amin’ny toerana. Tsara marihina aloha fa notsongaina tamin’io andininy io ny tapany farany izay manao hoe “Fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo”.

Fanao ny mandray ny voalohany na ny farany na ny eo am-povoany ao amin’ny andinin-tsoratra Masina, fa tsy azo atao velively ny manova izany. Efa nanaitra ihany ny zavatra nitranga tamin’ny fianianana nataony teo Mahamasina, fa tsy nametraka ny tanany teo amin’ny Baiboly izy. Nentina niarovan-tena moa dia ny nilazana fa tsy azo afangaro ny fivavahana sy ny politika. Tsy mbola nisy fianianana nataon’izay voafidy ho Filoham-pirenena tamin’ireo Repoblika telo sy ny Repoblika faha-efatra andiany voalohany teto amin’ny Firenena tokoa ity nitranga ity. Nanamafy tamin’ny làlana nandalovana hatramin’izay tokoa, fa ny politika no nibahana teo amin’ny fitantanana ny Firenena, ka adilahy politika izay niteraka fifankahalana sy fifandrafiana ary fifanenjehana no niainana. Mifanohitra amin’ny fomba sy fisainana tsy maintsy iainana voalazan’ny Soratra Masina izany.

Amin’izao fotoana izao dia nipoitra ny resaka fifofoana ny ain’ny filohan’ny Repoblika dia toa tsy nampihetsi-po ny Malagasy loatra izany tranga izany, satria tsy vitsy no nihevitra fa sarimihetsika izany satria maro loatra ny fanehoan-javatra tamin’ny alàlan’ny horonan-tsary. Raha ny marina dia tsy mbola manana porofo mivaingana sy azo tsapain-tànana ny maha meloka ireo olona voampanga sy nampidirina am-ponja ireo. Tamin’ny fiakaran’ny filohan’ny Repoblika an-tsehatra momba ny hamehana ara-pahasalamana ny alahady lasa teo dia nanaitra ny mpijery ny resaka fifofoana ny ainy. Niverina indray ny filalaovana ny fihetsempon’ny Malagasy, ka ankoatry ny nilazany fa noho ny fiarovany ny tombontsoan’ny Firenena ny anton’izany dia nitanisa andinin-tsoratra Masina: “…Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao,…”. Ny tsy fantatra dia asa na ny tenin’i Jehovah tamin’i Josoa io na ny tamin’i Davida satria samy hafa ny toe-draharaha niainana sy ny mpifanandrina tamin’ireo olom-boafidin’Andriamanitra ireo. Araka izany dia rehefa milaza Soratra Masina toy ireny dia lazaina ny Boky sy ny Toko ary ny Andininy fa tsy azo tsaingotsaingohana fotsiny.

Ny manahirana dia raha nandray fahefana Rajoelina Andry dia nihodina tamin’Andriamanitra satria nahatsiaro fa efa eo an-tànany ny hery sy tanjaka ary voninahitra. Roa taona sy tapany aty aoriana kosa dia mahatsiaro miaina ao anatin’ny fanjakana miady an-trano izy dia mbola miezaka manamarin-tena sy manilika andraikitra amin’ny hafa indray. Tsy vao androany no niakatra tsy nisy fitsaharana ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro (vary, menaka, siramamy,…) ka hanomezana baiko fa tsy maintsy hampidinina ao anatin’ny telo andro. Tsy mahafantatra, angamba, ny filohan’ny Repoblika fa mifampiankina avokoa ny zavatra rehetra, ka mila fehezina daholo ny enti-mamokatra sy ny fanodinana ny akora ary ny fitaterana ny vokatra. Araka izany dia tsy misy tranga tongatonga ho azy izany, fa mila fantarina avokoa ny dingana sy ny saran’izany vao afaka mamaritra ny tombam-bidiny. Araka izany dia niteniteny foana ny filohan’ny Repoblika raha nampanantena fa hampiakariny avo telo heny ny vidin’ny lavanila satria fakana ny fon’ny tantsaha mpamokatra fotsiny ihany izy. Volana maro aty aoriana, ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Sahy miteny sy mijoro amin’ny heviny ny filohan’ny Repoblika fa tsy hanao vaksiny satria, angamba, ny tenany manokana no voakasik’izany fa rehefa toe-draharaha mahakasika Malagasy maro dia hodiany tsy fantatra izay fiantraikany amin’ireo.

Tsy misy heviny ny fitiavana sy fiarovana ny Firenena raha tsy mihevitra sy miantoka ny fampandrosoana sy izay mahasoa ny mpiray Tanindrazana izay misoratena ho filohan’ny vahoaka tsy ankanavaka. Tsy sarotra ny manavaka ny setroka sy ny tomany koa hoy ny Soratra Masina ao amin’ny Matio7: 5 “Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao”.