ACS MADAGASCAR – Afaka mampiaina ny toekarena ny vidin’ireo andramena efa tapaka

Franck Razakambelo

Tokony hamidy ireo andramena nogiazan’ny fanjakana tao anatin’ny fotoana maharitra, hoy ny mpikambana ao amin’ny Acs (Amicale des anciens conseillers supérieurs de la transition et Sénateurs de Madagascar), tetsy amin’ny biraon’ny Acs Mahamasina ny herinandro teo.

Nilaza Andriamatoa Jules Randriamaholison, Sekretera Jeneralin’ny Acs, fa mitentina 4 miliara Ar ny tetibidin’ireo Andramena ireo raha toa ka lafo ary ahafahan’ny fitondram-panjakana manangana Banky Malagasy, ho an’ny famokarana sy ny fampandrosoana, no sady manampy tosika ny mpandraharaha, ireo orinasa madinika sy salantsalany, ny tantsaha amin’ny alalan’ny famoronana asa eto Madagasikara.

Nanohy fanazavana ity mpitondra tenin’ny Acs ity, fa mampihena ny vidim-piainana amin’ny alalan’ny ny fanafarana an’ireo entana ilaina amin’ny andavanandro ho an’ny vahoaka ny vola azo amin’ny Andramena ary manatsara ny ady amin’ny fisian’ny Kere any antsimo, sy ireo olana ara-tsosialy. Nilaza izy, fa tokony hamelomana ny “Raffinerie” any Toamasina sy hamerina an’ireo orinasa “Solitany Malagasy Solima” ny fitondram-panjakana amin’ ny alalan’ny vola azo avy amin’ny Andramena, mba hahafahana mamatsy solika mivantana an’ireo Andrimpanjakana, Ministera, ireo orinasam-panjakana maro samihafa, mba hahafahana mampihena ny vidin’ny solika eto Madagasikara.

Nanamafy ny mpikambana eo amin’ny Acs, fa hangataka fihaonana amin’ny solontenan’ny “Cites” sy ny Banky iraisam-pirenena, mba handresena lahatra an’ ireto farany amin’ny fomba hampiasana ny vola azo amin’ny Andramena, hahafahana miady amin’ ny fahantrana eto Madagasikara izy ireo.

Namarana ny fanehoan-keviny ny Acs manoloana ny raharaha fikasana sy famonona ny olom-panjakana ambony, fa tokony hitady vahaolana amin’ny alalan’ny fifampidinihana ny mpisehatra politika, mba hisorohana ny fandatsahana ain’olona.