Faha-2 taona ny RMDM ao amin’ny Magro Behoririka – Afaka tonga avokoa ny olon-drehetra tsy ankanavaka anio

Isambilo

Hankalazaina anio 10 aogositra 2021 ny faha-2 taona nijoroan’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, izay tarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana. Ho fanomanana izany, nanadio ny tetsy amin’ny Magro Behoririka, toerana hanamarihana izao tsingerin-taona izao, ireo mpikatroka ao amin’ity vovonamben’ny mpanohitra eto amintsika ity.

Nambaran’ny filoha lefitry ny RMDM avy amin’ny Faritanin’i Toliara, Pasitera Edouard Tsarahame nandritra izany, fa afaka tonga amin’izao fanamarihana izao avokoa ny olona rehetra tsy ankanavaka, eny fa ny solontena avy amin’ny fitondrana aza. Fantatra ihany koa fa hisy ny solontena avy amin’ny RMDM Diaspora hiatrika izao fanamarihna ny faha-2 taonan’ny RMDM izao, ho tonga ihany koa ireo solontena maro avy any amin’ny Faritra.

Hisy fanentanana samy hafa anio ao amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka, hiarahana amin’ireo mpanakanto, vavaka iraisam-pinoana ho fiderana Ilay Nahary, lahateny isan-karazany,… Ny masoandro hilentika anio no hampalahelo etsy Behoririka.