Raharaha Apollo-21 – Misy ady tombontsoa henjana ao an-dapa ao

Andry Tsiavalona

Araka ny efa fantatra dia nentina teny amin’ny fitsarana Anosy ny alarobia lasa teo ireo olona voampanga fa nifofo ny ain’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy olona ambony ao amin’ny fiadidiana ny repoblika. Efa nivoaka taorian’ny famotoran’ny mampanoa lalàna (juge d’instruction) ao amin’ny fitsarana, fa naiditra am-ponja vonjy maika ny voampanga iraika ambinifolo, ka nisy naiditra eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, nisy eny Imerintsiatosika ary ny vehivavy iray any Manjakandriana.

Nialohan’io fandalovana teny amin’ny fitsarana io anefa dia efa nivoaka ny fiarovantenan’ny voampanga roa farafahakeliny. Mbola namafisin’ny mpisolovava izany fiarovantena izany, ka tsapa avy amin’izany fa misy ady tombontsoa (conflit d’interêts) henjana ao an-dapa ao. Efa talohan’ity raharaha ity no efa nitranga ny filazana any amin’ny departemanta rehetra any, fa mahazo toerana ao an-dapa ny tsy nitolona, ka manao fiavin’ny tafara. Mahatsiaro ho voahilikilika araka izany ireo nitonontena ho tena nitolona niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika hatramin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Anisan’izany ny mpanakanto Sareraka, sy ny mpandraharaha Rafanoharana Paul, izay samy voampanga fa anisan’ireo nikononkonona izao fifofoana ny ain’ny filohan’ny Repoblika izao. Ny tena zava-doza ho an’ny firenena dia ny filazana fa misy “mafia” sy “mpibizina” ao an-dapa ao. Toa manamarina izany ny tranga rehetra manerana ny Nosy.

Tsy azo hadinoina ny raharaha lavanila any amin’ny faritra mpamokatra ity voly fanondrana sy reharehan’i Madagasikara ity. Ny filohan’ny Repoblika mantsy no voampanga, fa tsy mitazona ny teniny satria raha nilaza ho ren-tany, ren-danitra izy, tamin’izany fotoana izany, fa hasondrotra avo telo heny ny vidin’ity vokatra ity dia ny mifanohitra amin’izany no misy, satria dia nidina ho ny ampahatelony izany. Ny fanontaniana dia nahoana no tsy sahy mamotsipotsitra izany Rajoelina Andry raha tsy misy tsikombakomba ao. Tsy ny minisitreran’ny varotra sy ny indostria no nanao ny fanambarana fa izy no filohan’ny mpanatanteraka, ka tsy afaka manilika ny toe-draharaha na amin’iza na amin’iza. Iaraha-mahalala fa tsy mbola misy tohiny ny volamena 73,5 kilao lazain’ny manampahefana fa naondrana antsokosoko ka tratra tatsy Afrika Atsimo. Marina fa nisy nampidirina am-ponja kanefa azo lazaina fa toy ireo mpiasa namita iraka rehetra ihany ireo, fa sady tsy tompon’ny volamena no tsy nahazo fahazoan-dàlana nisidina mihitsy raha olona ambony ao amin’ny fitondrana ao no naniraka. Ambonin’izany dia tsapa fa nisy tsindry ara-moraly sy ara-batana (pression morale et physique) avy any ambony nihàtra tamin’ny mpitsara, ka misolo vaika ny ankalana (boucs émissaires) ihany ireto nidoboka any am-ponja ireto. Ny mahavariana ihany koa dia nisy vola vahiny tratra niaraka tamin’ny volamena koa azo antoka, fa matoa tsy mety mifarana ity raharaha ity dia mahatsapa ny mpitondra ao Afrika Atsimo, fa matahotra mafy ny hisehoan’ny marina ny mpitondra malagasy.

Voaporofo amin’izao raharaha izao, fa tsy mitovy velively ny fampiharana ny lalàna eo amin’ny olompirenena tsirairay izay manamarina fa misy ambonin’ny lalàna lazaina ho mpi-bizina, mba tsy hilazana fa ao anatin’ny tambazotran’ny “mafia”. Ity resaka volamena ity dia miteraka disadisa ara-diplomatika eo amin’i Afrika Atsimo sy Madagasikara. Ny filohan’ny Repoblika anefa no tomponandraikitra voalohany eo amin’ny fifandraisana ara-diplomatika izany, ka tokony handray andraikitra izy manoloana ity raharaha ity. Raha tsy izany dia handoto ny sariny eo imason’izao tontolo izao ny tsy fandraisany fepetra ary hanamafy ny tsy fahatokisan’ny mpiray tanindrazana aminy sy ny ekipany.

Toa manamafy ny fisian’ny mpi-bizina ihany koa ireny raharaha maloto “bonbons sucettes” sy “écrans plats” ireny, satria ny mpanatanteraka iraka ihany koa no midoboka am-ponja, ka ny iray nesorina tamin’ny toerana naha-minisitra azy fotsiny ary ny faharoa, angamba, atahorana dia tsy voakitikitika. Tsy hay takonana ny fotodrafitrasa mirentirenty mitsangana etsy sy eroa, saingy tsy mahatakona ary tsy hanadinoina ny zava-doza mihàtra amin’ny mpiray Tanindrazana sy ny Firenena anefa ireny.