06 AOGOSITRA 1896 – 06 AOGOSITRA 2021 – 125 taona aty aoriana, mbola voazanaky ny Frantsay isika Malagasy

Ny Valosoa

Vaninandro manana ny toerany eo amin’ny tantaran’ny firenena ny 06 Aogositra 1896, sy ny 06 Aogositra 1946 ary ny 06 Aogositra 2021.

06 AOGOSITRA 1896 LASA ZANATANY FRANTSAY i MADAGASIKARA

Raha tsiahivina ny tantara dia lasa tany teo ambany fiahian’ny frantsay (protectorat français) i Madagasikara ny 01 Oktobra 1895, taorian’ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay niainga teny Andrainarivo ny 30 Septambra 1895 dia voatery nampanangana saina fotsy ny tao Anatirova, ny ampitso 01 Oktobra 1895 no nosoniavina ny naha-protectorat français an’i Madagasikara. Ny dikan’ny protectorat français dia mijanona eo amin’ny seza fiandrianana ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo, saingy tsy manana fahefana intsony, nesorina ny Praiminisitra Rainilaiarivony ary nosoloina an’i Rainitsimbazafy, ny tena tompon’ny fahefana dia ny Résident Général dia ny Jeneraly Duchesne, izay nodimbiasan’i Laroche taty aoriana.

Nihetsika ny “Menalamba”, ireo tia tanindrazana malagasy nanohitra ny vazaha nanomboka ny 22 Novambra 1895, sahirantsaina ny mpitondra frantsay satria nahery tosika ny “Menalamba”, voatery tsy maintsy nanapakevitra ny mpitondra tany Frantsa, fa tsy maintsy atao zanatany tanteraka i Madagasikara, ka ny 20 Jona 1896 dia lany tao amin’ny Antenimierampirenena frantsay ny lalàna nametra ny nahazanatany frantsay an’i Madagasikara na « loi d’annexion » ary nankatoavin’ny Antenimierandoholona frantsay io lalàna io, ka ny 06 Aogositra 1896 no navoaka ilay lalàna.

Voalaza tao anatin’io lalàna io fa foana ny protectorat français ary lasa zanatany frantsay tanteraka i Madagasikara: colonie française, miala ny « Résident General » Laroche , ny Jeneraly Galiéni no nisolo azy, ka « Gouverneur General » no anarana nisalorany, nanomboka teo no nisy ny fiantsoana hoe Governora, vao mainka nohamafisina ny tsy fananan’ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo fahefana, nofoanana ny toeran’ny Praiminisitra Rainitsimbazafy, ary ny vazaha no nifehy tanteraka ny tany, ny fitantanana rehetra na ny sivily na ny miaramila.

06 AOGOSITRA 1946 NO NITSANGANA NY PADESM

Vao vita ny ady lehibe faharoa dia nitsangana ny Firenena Mikambana ary nifanaraka ireo firenen-dehibe nanangana azy io fa tsy maintsy havosotra ireo zanatany, satria nahavita be tamin’ny fanampiana tamin’ny fiatrehan’ireo firenen-dehibe ny ady lehibe anankiroa (1914-1918) sy (1939-1945). Nahafantatra izany ireo manampahaizana malagasy, ka nivonona nitaky ny fahaleovantena tamin’ny fomba nilamina. Natsangan’ireo tia tanindrazana malagasy tany Paris ny « MDRM », na « Mouvement Democratique pour la Renovation Malgache » ary nahazo fankatoavana avy tamin’ny Minisiteran’ny Atitany frantsay ny 22 Febroary1946. Vao nitsangana io MDRM io dia nahazo ny fon’ny malagasy ary maro ireo nirotsaka ho mpikambana. Raha nahita ny firoboroboan’ny MDRM ry zareo vazaha dia nanapakevitra hampanangana antoko hifampitana amin’ity antokon’ny tia tanindrazana ity.

Ny 06 Aogositra 1946, nahafeno dimampolo taona katroka ny nahazanatany an’i Madagasikara no najoro ny PADESM na ny ( Parti des DESherités de Madagascar), ka ireo taranaky ny Maintienindreny avy eto afovoantany no nitarika ny PADESM avy eo dia nanatevin-daharana ny avy any anindrantany, ny tanjon’ny vazaha dia ny hampiady ny MDRM sy ny PADESM arak’ilay teny filamatry ny frantsay hoe « Zarazarao hanjakana ».

06 AOGOSITRA 2021 EFATRA ANDRO LASA IZAY

Niverina ny tantara satria feno 125 taona katroka ny Zoma 06 Aogositra 2021 ny nahazanatany an’i Madagasikara, ary dia tsy tahotra tsy henatra ireo olon’ny fitondrana ankehitriny, fa niseho fahitalavitra tamin’io andro io notarihan’ny Governoran’ny faritra Analamanga niampy governora enina hafa, ny tiana ambara amin’izany dia nomen’ireto olon-dRajoelina ireto lanja ny anarana hoe « Governora », izay nosaloran’i Galieni ary efa nampiasain’ny fitondrana Ratsiraka ihany koa io, niantsoana ireo lehiben’ny faritany mizaka tena.

Tamin’io Zoma 06 Aogositra 2021 ihany koa no tsingerintaona faha-75 nijoroan’ny PADESM, izay notarihan’ireo Maintienindreny avy eto an-tanàna, dia nifanasa vangy nifanalabaraka ireo mitonona ho Maintienindreny tarihan’ny Depiote Rossy sy ny Vondron’ny ambany tanàna tarihan’ny Filohan’ny Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Ny tantara dia tsy azo ovana sady natao hakana lesona, ankehitriny dia tokony hiray hina ny vahoaka malagasy, satria vao mainka mahazo laka ny tetikadin’ny vazaha manao hoe: “zarazarao hanjakana” ary ny vanimpotoana iainantsika izao dia tsy fotoana tokony hifanenjehana intsony toy ny filazana hoe itsy taranaka Mdrm ary iretsy taranaka Padesm, satria voaporofo fa ny Kolonely Ratsimandrava dia zanaka Padesm kanefa dia nahavita be teto amin’ny firenena, toy ny namerenana ny rafitra fokonolona, mbola zanaka Padesm koa ny Mompera Remi Ralibera kanefa dia iaraha-mahalala ny fahasahiana nananany niady nanohitra ny sivana tamin’ny Repoblika faharoa, etsy andaniny ny Zoma 06 Aogositra 2021, dia nijoro niaro fatratra ny fitondrana tsy mahomby ny zanaka Mdrm, governoran’ny faritra iray eto amintsika, niaraka niseho fahitalavitra tamin’ny Governoran’Analamanga.

Ny azo lazaina eto ampamaranana dia mbola manjaka ny fanjanahantany 125 taona aty aoriana ary vao mainka mahazo vahana hatrany ny « Zarazarao hanjakana » napetraky ny vazaha.