Zatra maka tahaka ny fitondrana Rajoelina

Andry Tsiavalona

Tsy takona hafenina intsony amin’izao fotoana fisasahan’ny fepotoana itondran-dRajoelina Andry izao, ny fivakivakisana eo anivon’ny fahefana isan-tokony. Tsy mbola ao an-tsain’ny filohan’ny fahefana mpanatanteraka hatreto ny hanova ny ekipany izay tsy misy fantatra ny zava-bitan’ny tsirairay ary anaporofoina izany dia tsy misy fivoarana ny fiainam-bahoaka sy ny lafiny toekarena.

Tsapa tamin’ny kabarin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny talata lasa teo ny tsy fitoviam-pijery sy tsy fitovian-kevitra intsony eo anivon’ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka. Raha ny zava-misy eo anivon’ireo andrimpanjakana roa ireo dia nifamototra tanteraka ny fanatanterahana ny asa satria ny mpanara-maso, fahefana mpanao lalàna, indray no baikon’ny fahefana mpanatanteraka. Entina manaporofo izany ny fandaniana ny tetibola lasitra (LFI) 2021 tamin’ny fivoriana ny faran’ny taona lasa, izay niteraka fifanandrinana mahery vaika teo amin’ny minisiteran’ny vola sy ny vaomieran’ny tetibola eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nampanantsoina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny depiote IRD, ka azo lazaina fa nandray toromarika avy tamin’ny Praiminisitra momba ny fandaniana izany tetibola izany. Mazava ho azy, fa nandany ny tetibola koa ny tao amin’ny Antenimierandoholona izay IRD avokoa ny mpikambana ao. Fombafomba ihany koa sisa no nampandalovana izany teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), na dia tsy azo atao aza ny nataon’ny Fahefana mpanao Lalàna. Tsy mbola nitranga teto amin’ity Firenena ity ny toe-draharaha toy izany nandritra ny enimpolo sy taona iray, namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay. Tsy mahagaga ihany izany, satria efa zatra maka-tahaka loatra izao fitondrana izao, ka tamin’ny Repoblika II no nisy Andrimpanjakana, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, niala teo amin’ny lapany ary namoaka didy tany amin’ny hotely iray any Mantasoa.

Tsapa ihany koa fa efa misy ny tsy fitovian-kevitra sy fifanitsahana andraikitra eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka, ary eo anivon’ny fahefana mpanao lalàna dia mifanipaka ny fomba fijerin’ny depiote amin’ny toe-draharaha politika sy ny fitantanana ny firenena iainana amin’izao fotoana izao. Ny antony dia misy mahatsapa ny depiote, fa tsy mitovy velively ny tetikasa fampandrosoana ataon’ny mpanatanteraka any amin’ny distrika isanisany na dia nolazain’ny filohan’ny Repoblika aza, fa tsy hisy distrika hadino intsony. Sady miteraka lonilony eo amin’ny mpanatanteraka sy ny depiote mahatsiaro voahilika ary miteraka fifandirana eo amin’ny samy depiote ihany koa.

Raha ny resaka momba ny « Apollo 21 » no jerena dia toa tsy misy fiaraha-mientana loatra momba ny fanamelohana izany teti-dratsy izany. Marina fa misy miaka-tsehatra ihany manameloka izany tsy dia atao matrakazy be amin’ny haino aman-jery, ka taorian’ny fanakianana natao tamin’ny lehiben’ny fampanoavana izay tokony manome vaovao matetika vao namoaka ireo olona vaovao voasaringotra indray izy ny voalohan’ny herinandro teo. Ka araka ny vaovao dia nisy voapanga nandalo teny amin’ny fitsarana ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy nahazo nanatrika izany satria ny mpitandro ny filaminana no nanemitra ny Lapan’ny Fitsarana, kanefa samy mba te-hahafantatra ny fivoaran’ity raharaha ity ny Mpiray Tanindrazana, satria ny ain’ny filohan’ny Repoblika no lalaovina. Tamin’ny Repoblika II no nisy manamboninahitra ambony ao amin’ny foloalindahy no nandalo fitsarana miaramila noho ny fifofoina ny ain’ny filohan’ny Repoblika. Tsy mbola fantatra moa na fitsarana miaramila no hitsara ireo jeneraly voasaringotra ary fitsarana sivily ho an’ireo olona ivelan’ny tafika. Raha ny lanjan’ny fiantraikan’ity raharaha ity amin’ny fiainam-pirenena anefa no jerena dia tsy tokony hisy hafenina amin’ny vahoaka, fa tsy halefa amin’ny sambon-danitra any amin’ny takona tsy hitan’ny maso any an-danitra any. Araka izany dia tsy mitsahatra ny mitaky ny mangarahara eo amin’ny zava-mitranga eto amin’ny Firenena ny Malagasy.