10 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Nilaza ny filoha Rajoelina Andry fa nahazo antso avy tamin’Andriamanitra … sarotra be ny miditra @ izany satria : anao sy IZY izany.

ISAN’ANDRO ISAN’ANDRO anie ka kristianina an-tapitrisany no miresaka ARY mahazo antso avy @ Andriamanitra e!

Omeo sehatra ao @ TVM-RNM na eny @ kianja ny vahoaka ahafahany mijoro ho vavolombelona dia ho hitanao, fa tsy présomption d’innocence intsony ny famaky mikapa :
-ny ain’ny mpianatra nitaky ny vatsim-pianarany,
-ny gadra maty tany Mananjary izay notifirina avy any andamosina,
-ny poketran’ny malagasy,
-ny insécurité,
-ny fitsaboana,
-ny fampianarana,
-ny JIRAMA,…

Raha tsiahivina tamin’ny taona 2009 : firenena efa niharina no norobainareo MAPAR; la caisse de l’état n’était pas vide ARY misy porofo mipetraka izany. Taona 2019 : manaova débat télévisé @ HVM dia hita eo raha namela mafaitra anareo ry zareo na tsia … mahasahy ve nareo MAPAR amin’izany?

Taona 2021 : izao tontolo izao mahalala fa GISITRA Madagasikara!… iza no mitondra ? Rajoelina sy ny forongony no maha-gisitra antsika toy io.
Hanao ahoana re ianareo ireo rehefa tonga @ taonan’i Président RAVALOMANANA e ?

Nirina Rangodona
Tsianolondroa, Fianarantsoa