Tia tanindrazana sesitany tany Frantsa – 61 taona omaly ny niverenany an-tanindrazana

Ny Valosoa

Ny 30 Jolay 1960 no tafaverina izy fito mirahalahy nogadraina sy natao sesitany tany ivelany, noho izy ireo lohandohany tao amin’ny MDRM.

Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nipoaka ny raharaha ny alin’ny Sabotsy 29 Martsa 1947, izay fantatra fa ny mpanjanantany ihany no nanao izany nandotoana ny MDRM, nahatratra sivy alina mahery ireo namoy ny ainy, maro ireo nampidirina am-ponja teto an-tanindrazana ary ireo mpitarika fito mirahalahy dia nalefa nigadra sesitany tany Frantsa taorian’ny nitsarana azy ireo tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra.

Niverina ny fahaleovantena tamin’ny 26 Jona 1960, nampodiana an-tanindrazana izy fito mirahalahy ary notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika teny amin’ny seranampiaramanidina Arivonimamo.

Ireto ireo fito mirahalahy tonga avy any antsesitany, Dr Raseta Joseph Delphin, Dr Ravoahangy Andrianavalona Joseph, Rabemananjara Jacques, Tata Max, Joel Sylvain, Rakotoarison Auguste, Rakotovao Martin.

Nampihetsipo ny fihetsik’i Dr Raseta vao nidina ny fiaramanidina, satria norohany ny tany ary nesoriny ny kirarony, izay midika hoe ny faladiany mihitsy no manitsaka ny tany eto Madagasikara, fa tsy ny kirarony. Vahoaka marobe no tonga nihoby ireto mahery fo ireto nanomboka tany Arivonimamo ka hatraty Antananarivo , tamin’ny 12 ora no tonga ny fiaramanidina ary efa tamin’ny fito ora alina vao tonga tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izy fito mirahalahy. Ny tantara tsy fanadino.