Miara-manonja – Mandika ny lalàna velona hatrany ny fitondrana rajoelina

Nangonin’Isambilo

Olom-boafidy, depiote TIM, filohan’ny vehivavy TIM, mpanao politika mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra teo aloha, no vahiny tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja omaly tao amin’ny Radio sy ny Televiziona MBS. Nanentana ny fandaharana tamin’izany ny mpanao gazety isany: Rina Rabemananjara sy Faniry Razafy. Nisongadina tamin’izany fa mandika ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena hatrany ny fitondrana Rajoelina, indrindra ny eo amin’ny resaka Fitsarana.

Ny depiote Mamy Rabenirina


Niresaka momba ny fitsarana izy, nosinganiny tamin’izany ny momba ny raharaha mafana amin’izao dia ny resaka fikasana hamono ny Filoha. Tsy voahaja hoy izy ny “présomption d’innocence”, na ny tsy mbola maha meloka ny olona atao famotorana sy fanadihadiana, lasa misy fitsarana amin’ny endriny hafa , ka tonga dia aseho eny amin’ny tambazotra sosialy ny sary sy ny anaran’ireo mbola vao ahiahiana fa misy ifandraisany amin’ity raharaha ity. Tsy manaja ny lalàna ny mpitondra hoy izy, izany dia mbola vokatry ny kolontsaina nitaizana ny olona nanomboka ny 2009, ka nahatonga azy ho lasa te-hanana fahefana, ary tsy miraharaha rafitra , matoa nivoaka ny sary toy ireny hoy izy dia izy tompon’ny vaovao ihany no namoaka azy.
Misalasala noho izany ny olona manana raharaham-pitsarana, tsy mipetraka intsony ny fahatokisana, satria ny didy koa aza raha tokony ho manasazy dia lasa didy mandamina, ka ny farany mety ho lasa fanjakan’ny baroa no hisy eto.

Arphine Rahelisoa, Vehivavy TIM


Ny mahakasika ny olana ara-tsosialin’ny mponina, indrindra ny olan’ireo renim-pianakaviana kosa no noresahan’ny filoha vonjy maikan’ny Vehivavy TIM Analamanga, Rahelisoa Arphine. Iray volana hoy izy no hiomanana ampidirana ny mpianatra hiverina hiditra antsekoly nefa ny fitaovana lafo vidy tokoa ankehitriny.
“Mafy ny mahazo ny ray aman-dreny amin’izao fotoana izao , iray volana monja no hanomana ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly , tsy mitaky zavatra manara-penitra ny tontolon’ny fampianarana fa zavatra ampy no ilaina, aza mbola mitomany randrana tsy manendrika ny tena fa efa iarahana mahita fa gisitra maneran-tany isika Malagasy.
Nandritra ny fitondrana teo aloha talohan’ny finonganam-panjakana, dia ny fitondrana Ravalomanana, nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ny ray aman-dreny na dia teny amin’ny sekoly tsy miankina azy ny zaza no nianatra, misy aza no mbola dimbiasan’ny zandriny aty aoriana ny tablier tamin’izany andron’ny fitondrana Ravalomanana izany”.

Depiote Fetra Ralambozafivololona


Nanambara ny depiote Fetra voafidy tao amin’ny Boriboritny faha-5 Antananarivo fa mandeha any amin’ny tsy izy ny volam-panjakana.
“Mihitsoka ny fanamboaran-dalana eny amin’ny Art Malagasy hoy izy, nisy vola avy amin’ny mpamatsy vola ary ny 30% no avy amin’ny fanjakana malagasy.
Natomboka ny asa dia nihitsoka teo, satria tsy misy vola avy amin’ny fanjakana ka niala ny mpanao lalana teny an-toerana. Io lalana io araka ny nambaran’ity olom-boafidy ity dia tokony ho notokanana niaraka tamin’ny Rocade d’Iarivo.”

Yvon Rakotomalala, mpiasan’ny CUA teo aloha


Anisan’ny niresaka tao amin’ny Miara-manonja tao amin’ny radio sy ny televiziona MBS koa ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra teo aloha (CUA), Yvon Rakotomalala. Manitsakitsaka ny lalampanorenana sy ny demokrasia hatrany ny mpitondra misy amin’izao fotoana, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina hoy izy.
“Nisy ny Miara-Manonja izay ho any Merikasinina volana vitsy lasa izay, nahazo baiko daholo ny rehetra : mpitandro ny filaminana, fa tsy mahazo mandalo ny iray fiara raha vao misy manao akanjo mena”. Ny 6 febroary 2021 no nitrangan’izany hoy ity mpiasa tao anivon’ny CUA teo aloha ity.