Mpanivaiva fiangonana ny fitondrana misy eto

Ny Valosoa

Tsy mampino ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity dia ny famoahana an-gazety ny sarin’ ny Arsevekan’Antananarivo sy ny fanoratana ny anarany dia ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nambara fa natao fanadihadiana mikasika ny fisian’ny fikasana hamono ny filohampirenena, sady izay indray natao lohateny mivandravandra sy nahazo ny takila voalohany.

Marihina fa mbola vao fanadihadiana no natao ary tsy mbola misy ny afaka mitompo teny fantatra amin’ny mahameloka na tsia, ny Arseveka amin’izao raharaha izao , kanefa kosa noho ny maha Ray aman-dRenimpiangonana azy dia tokony azo natao tsara ny nanao ny fanadihadiana mangingina sy nifehy ny vaovao, kanefa dia ny gazetin’ny tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny serasera eto amin’ny firenena no nivoy ny vaovao. N’inona n’inona vokatry ny fanadihadiana eo dia tsy maintsy hisy fahasorenana ho an’ny mpino krisitiana katolika, izao fihetsika tsy voahevitra asehon’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena izao. Mazava ny fanambarana nataon’ny Kardinaly Tsarahazana Desiré, izay nametraka amin’ny toerana mazava tsara ny fiangonana katolika ary teo anatrehan’ny filohampirenena no nanaovany izany.

Mitamberina ao an-tsaina ny zava-nitranga tetsy amin’ny Episcopat Antanimena ny 17 Martsa 2009, dia ny fanivaivana ny Mpitandrina Rasendrahasina Lala, Filohan’ny FJKM tamin’izany, ny mahavariana dia mbola ilay namoaka vavabe teny Antanimena ihany no nahavita namoaka an-gazety ny sary sy anaran’ny Arseveka, kanefa anterina hatrany fa azo natao tsara ny mifehy ny vaovao, itandroana ny hasin’ny finoana sy ny fiangonana, ministry ny serasera i Lalatiana Andriantogarivo Rakotondrazafy nefa toa tsy mahafehy akory ny farany bitika amin’ny fitsipika mifehy ny serasera akory.

Efa tsy mahagaga aloha raha manao tsinontsinona ny fivavahana ny fitondrana ankehitriny, satria niaraha-nahita ny fanarabiana nataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny fianianana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny baiboly, fony izy nandray ny fahefana avy tamin’ny fifidianana madio, ary Ingahy Jean Eric Rakotoarisoa Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia niedinedina fatratra mihitsy nanitrikitrika, fa tsy misy ilana baiboly ny teny Mahamasina ny 19 Janoary 2019, izay azo lazaina hoe mety lojika ihany tokoa ny azy, satria fandresena azo tamin’ny hosoka tokoa ve ilamboatsiary amin’Andriamanitra, fa tsara tsiahivina etoana ihany fa ny alin’io Sabotsy 19 Janoary 2019 io dia nisy ny fianjeran’ ny vatobe niteraka fatiolona nikararana.

Tsy izay ihany fa hita taratra tamin’ny fomba fandraisana fepetra, fa tsy dia marisika loatra amin’ny fivavahana ny fitondrana, raha tsy hiresaka afa tsy ny amin’ny fiatrehana ny aretina koronaviriosy, satria raha navela hiasa ny toerampamorian’olona sasany, dia efa taty aoriana be vao nomena alalana hisokatra ny varavaram-piangonana, arak’izany dia vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora, fa tsy dia manome lanja loatra ny fiangonana ny fitondrana.

Olomboahosotr’Andriamanitra ny mpitondra fiangonana, ka raha vao ny ray amandreny ampanahy no voatonontonona dia mazava ho azy, fa manaraka ho azy ny anaram-piangonana ary dia tsy maintsy hiteraka fanafintohinana ho an’ny mpino kristiana izany.
Fahotana sy heloka eo anatrehan’ilay Nahary ny fanazimbazimbana ny Olomboahosotra, ka izay manao izany dia tsy maintsy ho tonga tsy ho ela aminy ny faharavana.