Eliana Bezaza sy fifofoana ny ain’ny filoha – Mifamahofaho ny resaka avoakan’ny mpanao fanadihadiana

Nangonin’Isambilo

Mahakasika ny fikasan’ny sasany voalaza fa nifofo ny ain’ny filoha Rajoelina, mitondra ny fanehoan-keviny momba izany ny antoko PSD amin’ny alalan’ny sekretera nasionaliny : Eliana Bezaza.

« Eto am-piandohana dia mampahatsiahy ny antoko PSD, fa manameloka foana rehefa misy ny fampiasana herisetra eto amin’ny firenena, na iza na iza lasibatr’izany, na mpitondra na olon-tsotra. Koa raha voamarina, ka nisy tokoa izany fikasana nifofo ny ain’ny Filoham-pirenena izany, dia mazava ho azy fa manameloka an’izany izahay. Raha voamarina hoy aho, satria milaza ny mpanao fanadihadiana fa mbola am-perin’asa, ary tsy mbola misy akory hatreto ny voatonona fa meloka avy ao amin’ny fitsarana. Aoka mba hanao ny asany am-pitoniana ny tokony hanao izany rehetra izany ary izahay PSD dia mitaky ny fikarohana ny marina hatramin’ny farany ary mba tsy ho atao tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy, ka tsy misy ho afenina azy ny ny porofo tsy azo lavina sy mandresy lahatra rehetra mba tena hahafantarana ny marina.

Hatreto mantsy dia mifamahofaho ny resaka avoakan’ny tompon’andraikitry ny fanadihadiana. Milaza ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa efa manana porofo vokatry ny fanadihadiana efa aman-bolana, nefa tsy misy porofo nahafahana nampiditra am-ponja an’ireo voapanga hatreto, fa mbola any an-tranon’olona manokana ihany no mitohy hatramin’izao efa ho andro maromaro izao ny fanadihadiana. Tsy manara-dalàna izany, ary mahamenatra raha raharaha goavana ohatran’izao, izay aim-ben’ny firenena no tsy hanarahan-dalàna. Sa tsy azo antoka indray ny porofo? Sa matahotra ny frantsay satria manam-boninahitra frantsay ireo voapanga? Maninona tsy ampanarahana ny lalàna velona ary hatramin’ny oviana no ho tazonina « garde à vue » ireo olona ireo? Lasa aloha loatra angaha ny fanamborana ka rehefa voasambotra vao mikaroka porofo? Izany daholo no fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny malagasy mandinika ny fandehan’ny raharaha, satria amin’izao fotoana izao vao mivoaka tsikelikely ny mikasika io raharaha io sy ny eritreretina ho mpiray tsikombakomba eto Madagasikara ary manomboka ny fanamborana olona samihafa. Ny mahagaga dia toa olona akaiky ny fitondrana daholo hatreto na ny voasambotra na ny voatonona, hatramin’ny honohono aza. Misy artista, misy olom-piangonana, ary misy koa hono, ary tsindriko ny « hono », olom-panjakana am-perin’asa.

Araky ny fandinihanay dia tsy misy intsony ny firaisan-kina eo anivon’ny fitondram-panjakana eto Madagasikara. Matoa tsy misy ny firaisan-kina dia satria tsy misy intsony ny tanjona iombonana sy ny foto-kevitra tsy azo hozongozonina. Tokony ireo mantsy no fototra iankinan’ny fitondrana voalohany indrindra. Hita izao amin’ny fandehan’ny raharaha andavanandro fa hafa mihitsy no niankinana: tombontsoa manokana, vola, seza, hany ka rehefa mihàtra ny zara vilana sy ny fahadisoam-panantenàna, dia rava ny fototra ka ny ao anatiny ihany no manakorontana. Latsa-tokana ny Filoham-pirenena amin’ity raharaha ity, satria ny namany natokisany ihany no mamadika azy. Tsy misy hidiran’ny firenena frantsay ity raharaha ity fa raharahan-tokatranon-dry zareo samy akaikin’ny filoha.

Hafatra hoan’Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina : Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velona soa aman-tsara ianao Andriamatoa Filoha, ary mbola Filoham-pirenenan’i Madagasikara. Raha mbola mibanjina fampandrosoana hoan’ny firenena ianao dia fotoana izao handraisana fanapahan-kevitra goavana hanadiovana ny manodidina anao sy hanovana tanteraka ny politika fitondrana, mba hifantoka kokoa amin’ny ara-ekonomika sy ny ara-tsosialy, ny famporisihana ny mpandraharaha mba hamoronana asa farany izay maro indrindra, fa izany no tena ilaintsika. Izahay dia tsy mitsahatra ny milaza fa ilaina ny fanovàna ny lalam-panorenana, ary ny safidin’ny antoko PSD dia ny federalisma ara-ekonomika, mba hitarika kokoa amin’ny fampandrosoana mirindra isam-paritra. Tsy misy mifampiandriandry fa samy mikarakara izay mahavelona ny mponina ao aminy ny faritra rehetra, izay no fomba hamongorana ny kere izay efa tsy any atsimo irery intsony, fa efa mihanaka eran’i Madagasikara amin’izao hasarotam-piainana izao”.