Tax Ramiaranjato – Ady anatin’ny fitondrana ny fifofoana ny ain’ny filoha

Tax Ramiaranjato, tanora mpamakafaka politika

Nangonin’i Stefa

Mitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, ny tanora mpamakafaka politika, Tax Ramiaranjato. Nalaza sy niteraka resabe tato ho ato ny resaka fikasana hifofo ny ain’ny filohampirenena Rajoelina, nanaitra ny sain’ny maro tokoa izany ary nizara roa tanteraka ny eritreritry ny vahoaka, ireo mpomba ny fitondrana moa dia mahavita miseho fahitalavitra isan’andro ary manao fanambarana amin’ny fanamelohana izany teti-dratsy izany, lasa toy ny propagandy ka mampahatsiahy ny fifidianana tamin’ny 2018. Etsy ankilany anefa, mahatsapa koa ny mpanohitra sy ny mpomba azy fa cinéma fotsiny ihany io resaka io.

Amin’ny maha-mpamakafaka politika ahy hoy izy dia tsy hanome tsiny ny mpanohitra aho raha izay no tonga ao an-tsainy voalohany satria film efa nandeha io, tsy vao izao mantsy no nisy io tranga io fa efa nisy koa tany aloha tany. Ao anatin’ny fanadihadihana tanteraka ny raharaha ka eo ampiandrasana izay tohiny isika, saingy ny azo lazaina hatreto dia ady ao anatiny ao ihany izy io, manaporofo izany ny fisamborana ny mpiray donakafo izay namany ihany. Noho izany dia tokony hajanona avy hatrany ny endrikendrika izay ataon’ny “compte fake” ao anaty tambazotra an-tserasera, satria ny fahendrena dia miandry ny valin’ny famotorona ataon’ny manampahefana, saingy mandrapiandry izany anefa, dia tsy tokony ho voizina be ihany koa io resaka io, ny ady atao amin’ny fiakaran’ny vidimpiainana no tokony himasoana voalohany indrindra raha tena tia tanindrazana marina, fa tsy variana amin’ny politique de victimisation.

Eto aho dia manolotra vahaolana avy hatrany, raha toa ka resy lahatra tokoa ny filoha fa misy mikasa hifofo ny ainy, dia tokony hampitomboana avo dimy heny ny mpiambina azy sy ny vady aman-janany, zo-ny izany amin’ny maha filohampirenena amperin’asa azy, izay ihany no tokony hatao sy azo atao, ny ankoatran’izay dia resa-be tiana hateza. Ho fanampin’izany dia mila jerena akaiky ihany koa ny fiarovana ny aim-bahoaka amin’ny resaka tsy fandriampahalemana, amin’ny valanaretina covid 19, ary indrindra ny fidangan’ny vidimpiainana izay efa voalaza etsy ambony. Farany, samy malagasy isika, tokony ho sarobidy amintsika ny aina malagasy iray, na iza io na iza.