Tompon’andraikitry ny ONE – Manampatra fahefana amin’ny fandroahana mpiasa

Rija Rakotoson Tale Jeneraly Office National de l'Environnement (ONE)

Manoloana ny fandroahana mpiasa tsy mazava nataon’ny tale jeneralin’ny ONE (Office National pour l’Environnement), nanao fanambarana manakiana izany ny solontenan’ity ofisy ity:

“Manoloana ny fanapahan-kevitr’Andriamatoa Tale Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky handroaka mpiasa anankiray nohon’ny antony tsy mazava sy tsy ara-dalàna eto anivon’ny ONE, sy manoloana ireo ahiahin’ny mpiara-miasa amin’ny mety hiitaran’izany amin’ny mpiasa hafa, dia sarotra aminay solontenan’ny mpiasa anisan’ny tompon’antoka amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa sy ny orinasa ary ny firindran’ny fiaraha-monina eto anivon’ny orinasa (Articles 1.01 et 1.02 du RGP), no hitazam-potsiny na dia efa maromaro ihany ireo antony tokony ho nitenenanay fa, nisy fotoana, nisafidy nanatona mangingina an’Andriamatoa Tale Jeneraly aloha izahay amin’ny famahana trangana tsy rariny misy eto anivon’ny orinasa tamin’ny lafin-javatra sasantsasany. Tsy nampahafantarina ny maro moa izany nohon’ny antony maro samihafa na dia tsy afapo ary izahay solontenan’ny mpiasa tamin’izany, fa misy fotoanany ny zava-drehetra.

Tonga kosa angamba inty ny fotoana hitenenana.

Marihinay etoana, ho fampahatsiahivana aloha, fa amin’ny maha orinasam-panjakana ny ONE, dia misy lalàna mifehy azy toy ny orinasa rehetra ihany, dia ny RGP izany, izay ny « Direction générale » sy ny mpiasa amin’ny alalan’ny Solontenany (délégués du personnel) no niara-nandrafitra azy (Article 1.01 du RGP).
Ny tanjon’ny RGP raha ampahatsiahivina dia ny hampirindra ny fiaraha-monina sy ny asa mba hampisy vokatra tsara ho an’ny ONE (Article 1.02).
Izay tsy voasoratra ao amin’io RGP io dia ny code du travail no mameno azy (Article 1.05 du RGP).

Arak’izany, ny ONE dia tsy fananan’olon-tokana na antokon’olona, fa misy rafitra sy lalàna mifehy tahaka ny orinasam-panjakana rehetra.

Toy izany koa, ny Tale Jeneraly, araka ny fantatsika dia notendren’ny fanjakana sy karamainy hitantana ny ONE (Article 13 du décret 2008-600). Isika mpiara-miasa kosa nokaramain’ny fanjakana, tompon’ny orinasa, araka ny fahaiza-manaontsika tsirairay avy ireo, mba hanao ny asa araka ny « missions » nankinina tamin’ny ONE (Article 4.01 du RGP).

Raha iverenantsika amin’izay io fanapaha-kevitra fandroahana mpiasa tsy misy antony mazava noraisin’Andriamatoa Tale Jeneraly miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky io, dia hitanay fa misy endrika tsy fanarahan-dalàna ny fomba nandraisana ilay fanapahan-kevitra sy ny fomba nilazana ilay izy tamin’ilay voakasika (victime) satria:

1) Raha ny voalaza ao amin’ny article 2.04 ny RGP dia manana zo amin’izany tokoa ny Tale Jeneraly, fa saingy misy antony mitombina sy mazava tsara ary maharesy lahatra, na ny mahakasika ny lafiny fandroahana (licenciement) izany na ny lafiny famindrana (mutation na promotion) mpiasa ho amina toerana anankiray.
Raha ny mahakasika ny fomba fandroahana mpiasa manokana dia, raha jerena ireo « natures des fautes » voalaza mazava ao amin’ny article 13.01 sy 13.02 ny RGP dia tsy nisy na dia iray tamin’ireo no nataon’io olona voakasika (victime) io.

2) Manaraka izany, amin’ny maha membres ny « comité d’entreprise » anay solontenan’ny mpiasa araka ny lalàna 2003-044 du 28 juillet 2004 – code du travail article 159 à 163 dia zo-nay feno ny nampahafantarina ny andinindininy nanosika anareo handroaka mpiasa iray ka nanontany ny hevitray alohan’ny nakana ny fanapahakevitra mahakasika izany. Mbola manamafy izany moa ny article 158 an’io lalàna 2003-044 voalaza etsy ambony io ihany. Indrisy moa fa tsy nisy mihintsy izany fakan-kevitra izany.

3) Ankoatr’ireo tsy fanarahan-dalàna voalaza etsy ambony ireo dia tsy misy akory ny « notification écrite » araka ny takian’ny lalàna 2003-044 du 28 juillet 2004 ao amin’ny article 21 fa dia nolazain’Andriamatoa Tale Jeneraly ambava ilay olona horoahina ny andro alakamisy 09/07/2021 hariva, ka dia nasaina hanao « passation » avy hatrany nanomboka ny herinandro nanaraka an’iny. Na ilay olona eritreretin’Andriamatoa Tale Jeneraly handray ilay toerana ary mbola tsy nanana taratasy ihany koa tamin’io fotoana io araka ny voafaritra ao amin’ny article 4.06 ny RGP, fa izy no hisolo toerana ka mila afindra any aminy ny fitantanana.
Porofon’izany tsy fananany « lettre de notification » manendry azy hisolo toerana izany, ny tsy nahafahany nampiseho izany tamin’ilay olona « victime » raha tonga tsy nantsoina nikasa hanomboka hanao « passation » tao amin’ny biraon’ilay « victime » izy ny alarobia 14/07/2021 tolakandro.
Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, toy izany ve no endrim-pitantanana vaovao tiana hapetraka eto anivon’ny ONE?
Raha atao kisarisary tokoa mantsy izany zavamisy izany, dia toy ny hoe, misy mpiasa iray tonga ao amina birao anankiray eto amin’ny ONE miteny amin’ilay tompon-toerana hoe afindrao amiko ny fitantanana eto amin’ity toerana misy anao ity, dia mivoaka ny ONE ianao avy eo, nefa izy amin’io sady tsy manana taratasy mazava sy ara-dalàna akory fa avy miresaka any amin’izay iresahany any izy dia mihevitra fa afaka manao izay tiany ?

4) Eto izahay solontenan’ny mpiasa dia mahatsapa fa sao dia ho lasa endrika « harcèlement moral » ho an’ilay olona voakasika (victime) izany zavamisy rehetra izany raha jerena ny lalàna 2003-044 du 28 juillet 2004 ao amin’ny article 5.
Eto ihany koa izahay, dia manamafy ny mahazava dehibe ny fitsinjovana ny mahaolona eto anivon’ny toeram-piasana.
Tsy sanatria akory ka ho fitaintainana sy ahiahy no ampiainana ny mpiasa ankehitriny, satria dia izany no fitarainana tonga aty aminay manoloana io fanapahan-kevitra noraisin’Andriamatoa Tale Jeneraly sy ny mpiara-miasa aminy akaiky io.
Noho ireo voalaza rehetra ireo, dia mahatsapa izahay amin’ny tokon’ny hisian’ny fifanajana amin’ny fifampitondrana eto anivon’ny toeram-piasana, mba hampirindra tsara ny fiaraha-monina (article 1.01 à 1.03 ny RGP), sy hampisy vokatra tsara ho reharehan’ny orinasa.
Eto izahay, ho famaranana, sy manoloana ireo antony rehetra voatanisa etsy ambony ireo, dia manao antso amin’ny Tale Jeneraly sy ireo rehetra mandray anjara, na mivantana na ankolaka, mba hanajanona ny fanantanterahana ilay fikasana tsy marim-pototra sy tsy manara-dalàna eritreretinareo ho atao.

Izahay solontenan’ny mpiasa dia tsy afaka ny hiray tsikombakomba amin’izany velively na oviana na oviana, ho tombontsoan’ny orinasa sy ny mpiasa eto anivon’ny ONE, fa horaisinay ho toy ny mpiray tsikombakomba amin’ny fanomezana vahana ny tsy fanarahan-dalàna eto anivon’ny orinasa daholo ireo rehetra mbola minia mikimpy hanao izay fomba rehetra hahatanteraka izany tsy fanarahan-dalàna izany, na inona endriny na inona antony na ankolaka na mivantana”.