Sendikan’ny Paramedy – Hanao kongresy nasionaly any Morondava

Stefa

Hanao kongresy nasionaly any Morondava faritra Menabe ato ho ato ny sendikan’ny Paramedy eto Madagasikara, izay ivondronan’ny mpitsabo mpanampy sy mpampivelona manerana an’i Madagasikara. Izany kongresy nasionaly izany dia efa fanaon’izy ireo araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, fa tsy noho ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana akory no hanaovan’izy ireo izany.

Ho fanomana izany araka ny nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny Paramedy Ralibera, hisy ny filankevi-pirenena hataon’izy ireo eto an-drenivohitra ny 5 sy ny 6 aogositra ho avy izao, handraisan’ireo mpitarika reziônaly sy ireo mpitarika any amin’ny distrika anjara, ka ireo tsy afaka hiakatra dia afka hiatrika izany amin’ny visioconférence. Ny kongresy nasionalin’ny Sendikan’ny Paramedy kosa dia hatao ny 23 hatramin’ny 27 aogositra any amin’ny renivohitry ny faritra Menabe.

Anisan’ny ho resahana amin’izany ireo zavatra manahirana ireo Paramedy eto amintsika, ny taona lasa teo ohatra, niasa maina izy ireo tamin’ny ady tamin’ny valanaretina coronavirus, satria mbola tsy voaray hatramin’izao ny tambin-karamany tamin’izany, efa ho an-tapitrisany Ariary vitsivitsy isan’olona anefa izany tambin-karaman’izy ireo tsy nefain’ny fitondrana Rajoelina izany hatramin’izao.