INSTAT – Atao ambanin-javatra ireo mpiasa « de droit privé »

Niaina

Mitaraina amin’izao fotoana ireo mpiasa antsoina hoe « de droit privé » ao amin’ny INSTAT, na ny Ivontoeram-pirenena momba ny Statistika, fa ataon’ny mpitondra ambanin-javatra izy ireo, na samy mitovy ihany aza ny fari-pahaizan’izy ireo sy ireo mpiasam-panjakana dia latsaka ambany ireto mpiasa antsoina hoe « de droit privé » ireto.

Mitalaho ny mba hijerena haingana ny mikasika azy ireo manokana izy ireo. Nisy ny taratasy fangatahana fampidirana ireo mpiasa tranainy, izay efa amam-polo taona niasana farafahakeliny ho mpiasam-panjakana raikitra. Nolazain’ny mpitantana ao anivon’ny INSTAT sy ny minisitera mpiahy misahana ny toekarena sy ny tetibola, fa efa eny anivon’ny fiadidiana ny Praiminisitra ny fanapahana mikasika izany. Taitra sy sanganehana anefa ireo mpiasa voakasika ireo raha nahare tamin’ny filazam-baovao, fa efa mandeha avokoa ny eny amin’ny ministera hafa. Mitaraina ireo mpiasa ireo fa dia tsy mba nisitraka ny volan’ny CNaPS izy ireo hatramin’ny taona 1996. Tsy mba mahazo izany fikarakaràna ny fandaniana ara-pahasalamana sy ny ara-tsosialy izany ihany koa, noho io sata arak’asa mikasika azy ireo io.

Mandray anjara mavitrika amin’ny fampandehanana ny INSTAT anefa ireto mpiasa ireto amin’ny fikirakirana momba ny antontanin’isa, izay ilain’ny firenena tokoa amin’ny sehatra rehetra mihitsy. Tsy maintsy mila statistika avokoa ny departemanta rehetra eto amin’ny firenena hanaovany sy hanatanterahany ny politikany.