EDITO 29 jolay – Misamboaravoara ny toe-draharaha politika – Manana ny heviny ny sarambabem-bahoaka

Sôh’son

Misamboaravoara ny toe-draharaha politika ny fahitana azy amin’izao fotoana izao. Mety hanana ny fijeriny samihafa ireo mpanao politika ao anatin’izany, na ny eo amin’ny fitondrana na ireo mpanohitra. Mazava loatra fa tsy hitovy ny fijerin’izy ireo manoloana izany. Raha mitovy dia mety tsy ho tsara ho an’ny firenena izany, satria ny mpanohitra natao ho aroriaka amin’ny mety ho fivilian-dalan’ny mpitondra amin’ny fitantanam-pirenena. Ho fiarovana ny vahoaka sy ny firenena izany, mba tsy ho potsitra ao anaty lalana tsy azony anoharana na fiainana tsy sitrany sy tsy mendrika ho azy. Tsy mahasoa ny firenena ny fandehanana ao anaty lalan-tokana tsy ananan-tsafidy. Niseho izany tranga izany tany amin’ny Repoblika faharoa nanomboka ny taona 1975. Dia niaraha-nahita ny zava-nanjo ny vahoaka vao dimy taona monja teo taty aoriana.

Ny tsikaritra ao anatin’izao resabe maro samihafa ara-politika toa mampivena ny firenena izao, dia toy ny mpitazana fotsiny na mpitan-damba ny vahoaka. Mihaino fotsiny no ataony dia hatreo. Ary misy diso hevitra ny mpanao politika na ny tomponandraikitra sasany amin’ny filazana fampitoniana ny vahoaka. Ny vahoaka dia tena tony mandrakariva, ary zary tsy miraika amin’ny zava-misy sy mitranga eto amin’ny firenena hatramin’izay nanombohany ho zatra miatrika izao valanaretina coronavirus izao sy ny fiainany andavanandro ao anatin’izany.

Manaporofo izay, tsy misy olona mihitsy mba miresaka ity tantara be momba ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ity any anaty fiara fitateram-bahoaka any, na any anivon’ny fiaraha-monina andavanandro. Miseho miresaka etsy sy eroa, amin’ny haino vaky jery ny tomponandraiki-panjakana, mampita vaovao, fa toa tsy mampihetsi-bolomaso ny sarambabem-bahoaka. Mampieritreritra lalina izany fihetsiky ny vahoaka izany ary mampanahy fatratra ho an’ny mpandinika ny fiainam-pirenena. Antony iray mety nahatonga izany, dia noho ny nataon’ny olom-boafidy na olom-boatendry ihany amin’ny filazana fa tsy mila maneho hevitra an-dalambe ny vahoaka, fa efa eo ny solombavambahoakany. Avy amin’ny mpitondra ihany raha izay no nahatonga izany.

Raha ny vahoaka anefa no tsy miraika amin’ny zava-mitranga eo amin’ny firenena dia ratsy izany ho amin’ny hoaviny. Tsy tokony ho mandrimandry manana aretina amin’izany zava-misy izany izay mahatsiaro ho tompon’andraikitra rehetra eto amin’ity firenena ity, satria mety baomba hipoaka io atsy ho atsy, na ato ho ato.