Sangodim-panina tsy voafehy eo amin’ny sehatra rehetra no iainan’ny Malagasy

Andry Tsiavalona

Kihon-dàlana iray tena manahirana ny Malagasy tokoa no andalovany amin’izao fotoana izao. Efa tsy takatry ny saina eritreretina intsony ny zava-manahirana iasan’ny saina, satria efa iainana isan’andro vaky izao ny fahantrana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Efa mampihorin-koditra sady tsy maintsy hitandremana sy hanaovana fiarovan-tena fatratra mba tsy ho tratry ny valanaretina covid-19 ny tsirairay. Ny fiainana ara-politika ho an’ny sarababem-bahoaka dia efa tsy eritreretina intsony, diso fanantenana tanteraka ny ankamaroany satria izay nanomezan’ny filohan’ny Repoblika toky nandritra ny fampielezan-kevitra dia tsy nisy nisitrahana na kely aza. Mitokana mitaky ny zony tsy nefain’ny mpitondra ny mpandraharaha sy ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, torak’izany koa ny mpitsabo sy mpitsabo mpanampy nanao vy very ny ainy tamin’ny fitsaboana ireo mpiray Tanindrazana tratry ny valanaretina covid-19. Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia mitaky ny fialan’ny ben’ny tanàna ny mpivarotra amoron-dàlana izay esorina amin’ny toerana nivarotany. Ny ady tany etsy sy eroa dia tena mampiasa saina ireo tratry ny tsindry hazo lena sy fanaparam-pahefana. Ny tsy fahatokisana ny fitsarana dia efa tsy resahina intsony satria ny tsy manam-bola sy tsy manana olom-pantatra any amin’ny fitondrana dia tsy maintsy iharan’ny sazy, ka miditra am-ponja na dia heloka tsy natao aza. Ireo tsy mitovy hevitra na tsy manohana ny fitondrana dia tratry ny fampitahorana na filam-baniny na samborina mihitsy.

Sangodim-panina tsy voafehy eo amin’ny sehatra rehetra no iainan’ny Malagasy ary tsy hita intsony izay hasiana ny tongotra, mivezivezy ny fanahy ka tsy mbola misy tara-pahazavana tazana aloha eny amin’ny vodilanitra. Mbola lavitra ny roa taona sy tapany, ka tsy fantatra rahoviana no hamaranana izao toe-javatra izao. Tsy toy izany kosa no fahitan’ny mpitondra sy ny mpomba sasany azy fa mandroso ny Firenena, manga ny lanitra, fa be ny mpamendrofendro sy manakantsakana ny ezaka. Tsy takona hafenina anefa fa misy ao an-dapa sy mpiaradia hatramin’izay, no manakiana sy mampiseho ny tsy fandehanan’ny fiainam-pirenena amin’ny làlana tokony hizorany ary dia manakiana mafy ireo minia mikimpy manoloana ny hantsana mangotanatana ivarinan’ny mpiray Tanindrazana.

Ao anatin’izany safotofoto izany no miasa mafy, mihoatra ny tamin’ny tetezamita, ny sampam-pitsikolovana ka voalaza fa rakatra ny antokon’olona nikasa nifofo ny ain’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena aloha dia ny ain’ny filohan’ny Repoblika indray izao. Ka misy tandapa sy olona ambony, zandary sy jeneraly ary ilay mpanakanto anisan’ny niara-dia tamin’ny filohan’ny Repoblika ihany koa voasaringotra amin’izany raharaha izany. Sarimihetsika tena izy mampangitakitaka izay tsy izy no hanaovana horonan-tsary kanefa sarom-pantarina iza no handresy ary iza no ho tavela rehefa hifarana ny tantara.

Ny tena mahalasa saina dia taorian’ny famoahan’ny mpanohitra ny fehin-kevitry ny fikaonandoham-pirenena nokarakarainy vao nipoitra izao fifanoherana sy fifampiampangana ary fifanenjehana izao eo anivon’ny “maro an’isa” mitantana ny Firenena. Arak’izany dia tsy hahomby velively ny hevitra hanaitra ny “fihetsehampon’ny Malagasy” manoloana ny fanaparitahana ny fifofoana ny ain’ny filohan’ny Repoblika, satria ao anivon’ny fitondrana ao ihany izany no sady misy mpamosavy malemy sy mpanipy hoditr’akondro ary mpamingana. Tsy azo lavina tokoa, fa ny zava-nisy niainan’ny Malagasy nandritra ny enimpolo taona dia tsy nahitàna ny tranga nifandimby nandritra ny roa taona sy tapany, nampitodika ny mason’izao tontolo izao aty amin’ity Firenena manan-karena fa mahantra vahoaka ity.