Tsiroanomandidy-Maintirano – Mijaly ihany koa amin’ny faharatsian’ny lalana RN1 bis

Aly

Velon-taraina ihany koa amin’izao fotoana ireo mpampiasa ny lalampirenena RN1 bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano iny. Ratsy dia ratsy tokoa izany lalana izany amin’izao fotoana, ka sahirana ireo mpampiasa izany lalana mampitohy ny faritr’i Bongolava sy ny faritra Melaky izany. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana: 120000 Ar ka hatramin’ny 140000 Ar, miampy fanosehana fiara ny saran-dalana min’izany lalampirenena izany.

Mpitatitra iray no naneho ny alahelony: “tsy mampino ary mampalahelo ny zavatra iainan’ny Malagasy sasany toy ny aty Bongolava sy Melaky, lalana 407 km mampitohy an’i Tsiroamandidy sy Maintirano no andoavana saran-dalana hatramin’ny 140000 Ar io. 4 na 5 andro be zao vao tonga raha tokony ho vita iray andro izany. Ratsy ary tena ratsy ny lalana. Tsy vitan’ny hoe efa lafo ny saran-dalana, fa mbola tsy maintsy manosika. Mijaly ny vahoak’i Melaky, tsy mbola nisy mpitondra ka nahatsiaro iny faritra iny. Mampalahelo fa amin’ny faritra 22 dia ny faritra Melaky no anisan’ny tratra aoriana raha resaka fivoarana.

Ny faritra Melaky anefa no anisan’ny havokavok’i Madagasikara, ao amin’io faritra io no misy ny fitrandrana solitany sy menaka mavesatra: Bemolanga sy Tsimiroro. Tompony mangataka atiny raha ny aty amin’ny faritra aty no resahina. Amboary ny RN1 bis fa mijaly ny vahoaka, ampitovio ilay fivoarana fa aza asiana zanak’Ikalahafa”, hoy ny tarainan’ny any an-toerana.

Tamin’ny taona 2008 fony fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, no efa niheverana ny anamboarana iny lalana Tsiroanomandidy- Maintirano iny, tsy tanteraka anefa izany noho ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina sy ny forongony tamin’ny taona 2009.