Mividy menaka amin’ny sotro fihinanana – Tena latsaka ambany ny fari-piainan’ny vahoaka

Radafy

Miha-milentika hatrany ny fiainam-bahoaka ary miha- kizo fara ny Malagasy. Manomboka miseho eo amin’ny fiainana andavanandron’ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao ny fividianana menaka amin’ny sotro fihinanana. Amin’izay indray, araka ny fantatra, io menaka vidiana amin’ny sotro io, menaka efa avy nanendasana toy ny saosisy na henankisoa na hafa. Izany hoe avy eny amin’ireo mpahandro sakafo amoron-dalana eny no ividianana azy.

Mponina miaina eto an-drenivohitra izany mividy menaka avy nanendasana izany noho ny fahantrany. Tsy voavidy intsony ny menaka tsy mbola nampiasaina amidy eny amin’ny mpivarotra enta-mandinika noho ny fidangan’ny vidiny tsy nitsahatra tato ho ato. Mahavita izay tsy mbola nataon’ny teo alohany tokoa ity fitondrana ity. Fidangan’ny vidin-javatra fanjifa andavanandro, anisan’ny tompon-daka amin’ny fahitana izany izao fe-potoana iasany izao. Miaka-bidy tsy mbola nisy hatramin’izay no hita sy iainan’ny vahoaka. Mba noheverina fa hoe hitsahatra eo amin’ny fampiasana kapoaka kely amin’ny voatabia amin’ny boaty ihany ny famarana ampiasain’ny mpivarotra sy voavidin’ny mpanjifa. Izao anefa ity tonga ampiasaina hatramin’ny sotro. Dia inona indray koa ny mbola hiseho amin’ny manaraka izay tsy azo hevitreverina akory?

Ity fampiasana menaka avy nampisaina ity koa anefa dia iaraha-mahalala fa tsy mahasoa ny fahasalamana, indrindra avy teny amin’ireo mpanendy laoka. Tsy misy tsy mahafantatra izany, fa sendra tsy azo anoharana intsony ilay vahoaka. Ny hanao izay ahavelona isan’andro fotsiny sisa ny azy no ao an-tsainy. Mahantra tanteraka izy. Ekena tsy mbola mahazo laka tanteraka io tranga amin’ny fividianana menaka avy nampisaina io, fa hiitatra hitombo miandalana toa ireo hafa io vokatry ny fahantrana tsy mitsaha-mangeja isan’andro ny sarambabem-bahoaka io. Mpandainga sy mpamita-bahoaka ilay mpanao politika sy ny namany mbola sahy nilaza, fa efa miha-hita soritra ny ezaka fanavotana ity firenena ity.