LOZA! LOZA!

Ity vao loza, tena loza.
Mifanaikitra ny foza.
Sanatria tsy hoe angano
Fa dia tena miady an-trano!

Tsy hay afenina intsony:
Disadisa sy lonjony,
Indrindra indrindra ny ady seza
Ifanaovan’ireo ngeza!

Hatramin’ny fifofoana ny aina
No efa indro nodradraina,
Ka ny maso eran-tany
Any amin’ny foza irery ihany!

Fofom-poza no midoaka.
Tena kivy ny vahoaka!
Manamaimbo ny vilany,
Mila akifika any ho any!

…Efa antomotra ny farany,
Mombamomba ny tantarany.
Fanjakana miady an-trano,
Ho rava ho azy fa tazano!

DADAN’i ZINA (27-07-21)