Fikaonan-doha nasionaly – Rendrika ny firenena ka tsy ekena intsony, hoy ny mpanohitra

Isambilo

Rendrika ny firenena ka tsy ekena intsony izany, hoy ny mpanohitra, nanao fikaonan-doha nasionaly teny amin’ny Ri La Tsio Bypass, nandritra ny 2 andro ny faran’ny herinandro teo.

Misy andininy 16 ny fehinkevitra nivoaka tamin’izany, avy amin’ireo mpivory izay avy amin’ny lafy valon’i madagasikara. Nisongadina tamin’izany fa tokony hametra-pialana ny filoha Rajoelina, ravàna ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, na HCC, ka ireo mpitsara no hifampifidy izay handrafitra ny HCC vaovao.

Hirosoana ny fidirana amin’ny Repoblika faha-5, izany hoe rafetina ny Lalampanorenana vaovao fa ialàna ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha-4, izay tsy voahaja sy itsakitsahan’ny fitondrana amin’izao fotoana.

Fehin-kevitra (rohy)

Fikaonan-doha nasionaly mikasika ny raharaham-pirenena – 23 sy 24 jolay 2021 – Fehin-kevitra

Décisions (lien)

Concertation nationale 23 et 24 juillet 2021 – Résolutions