Fikaonan-doha nasionaly mikasika ny raharaham-pirenena – 23 sy 24 jolay 2021 – Fehin-kevitra

Ny fikaonan-doha nasionaly natao ny faha 23 sy 24 jolay dia nokarakarain’ ny mpanohitra niaraka tamin’ ireo sokajin’olona maro samihafa izay tsy mankasi-traka ny fitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao. Tonga maro tamin’izany ireo solontenan’ny antoko politika mpanohitra maro, ireo mpikambna ao amin’ny RMDM, ny solontenan’ireo sendika, ny firaisamonim-pirenena, solontenan’ireo fikambanana maro samihafa, ary olon-tsotra maro. Maro ihany koa ireo solon-tena avy any amin’ny faritra tonga nanatrika ny fikaonan-doha.

Niara-nanaiky ireo mpivory fa mandeha any amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena, latsaka anatin’ny fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy ka mian-traika hatrany anaty vilanin’ny tokantrano tsirairay ny fahasahiranana. Rendrika ny firenena. Manjaka ihany koa ny didy jadona sy ramatahora eo amin’ny fitan-tanana ny raharaham-pirenena. Tsy mipetraka intsony ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ary voahitsakitsaka ny Lalampanorenana.

Rehefa niara-nidinika ny mpivory, dia nifanaiky fa tsy azo avela ho rendrika ny firenena ary dia mamoaka izao fehin-kevitra izao:
1. Nohon’ny fanitsakitsahina miverimberina ny Lalampanorenena sy ny tsy fa-najàna ny fianianana izay nataony milaza hoe “Hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana” dia takiana ny fialan’ny filohan’ ny Repoblika. Izany dia antoky ny fametrahana firenena tan-dalàna.
2. Ravana ny Lalàmpanorenana ary atomboka ny fandinihana ny Lalàmpano-renana vaovao andraisan’ny rehetra anjara mba hidirana any amin’ny Repoblika faha-dimy.
3. Takiana ny fialan’ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo momban’ny La-làmpanorenana (HCC), ka soloina mpikambana vaovao izay ny mpitsara no to-kony hifidy azy ireo araky ny traikefa hananany mba ho tena hahaleo-tena izy ireo. Miaraka amin’izany ihany koa dia apetraka ireo rafim-pitsarana mahaleo-tena.
4. Takiana ny fametrahana ny demokrasia sy ny fanajàna ny zon’ny tsirairay ha-neho hevitra malaka sy hanao famoriam-bahoaka. Sokafana ho an’ny rehetra, ka tafiditra amin’izany ny mpanohitra, ny haino aman-jerim-panjakana dia ny RNM sy TVM izany.
5. Averina amin’ny asany amin’ny fitandroana ny filaminana dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny fiarovana ny tanindrazana iombonana ny mia-ramila sy ireo mpitandron’ny filamina fa tsy ho atao fitaovana politika sy herim-pamoretana intsony.
6-Takiana ny famoahana tsy misy hatakandro ireo gadra politika rehetra.
7. Takiana ny fanaovana laharam-pahemehana ny sosialim-bahoaka mba ha-namaivanana ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy
8. Takiana ny hanaovana laharam-pahamehana ny famoronana asa, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo orinasa Malagasy madinika sy salantsalany izay tena manome asa haingana ny vahoaka. Atao laharam-pahamehana ny fanodinana ireo akora misy eto an-toerana.
9. Tsy maintsy ampitomboina ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny an-govo azo havaozina na “énergies renouvelables”.
10. Atao laharam-pahamehana ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny fanare-nana ireo fotodrafitrasan’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny famatsiana ze-zika sy masomboly azy ireo.
11. Avaozina ny rafim-panabezana eto amintsika, ka tafiditra ao anatin’ izany ny fananganana sekoly, fanofanana ireo mpampianatra ary ny fampitaovana ireo sekoly rehetra. Averina ny “instruction civique” any an-tsekoly.
12. Hatsaraina ny lafiny ara-pahasalamana toy ny fampitaovana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy tobim-pitsaboana rehetra mba ahafahana miatrika ny valana-retina rehetra toy ny Covid-19, ny pesta, ny tazomoka, sns.
13. Amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao dia takiana ny fanaovana vaksiny ho an’ny daholobe na ny vaccination de masse izany mba ahafahana miaro ny ain’ny Malagasy ary hanarenana haingana ny ara-toekarena.
14. Takiana ny fanaovana audit ny famatsiam-bola nampiasaina tamin’ny ady amin’ny Covid-19 tamin’ny 2020
15. Takiana ny fanatsarana sy ny fanaovana mangarahara ny fitantanam-bolam-panjakana, ka hamafisana amin’izany ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny sam-pan-draharaham-panjakana rehetra aty amin’ny foibe ka hatrany amin’ny faritra sy ny communes.
16. Takiana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy mba hisian’ny fam-pandrosoana mitovy isam-paritra na ny développement équitable.

Natao teto Antananarivo ny 23 sy 24 Jolay 2021