Nisy nikasa hamono hono ingahy Filoha

Ny Valosoa

Taorian’ny filazan’Ingahy Jeneraly Sekreterampanjakana miadidy ny Zandarimariampirenena (Seg), Richard Ravalomanana nilaza fa nisy ireo nikasa namono azy sy mpitondra ambony maromaro dia nivoaka indray ny fanambarana faharoa, ka Ingahy Filoha Rajoelina mihitsy hono no kasain’ny sasany ho vonoina, saingy ny nanao ny fanambarana dia niova indray, fa Ramatoa Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Tampony sy Ingahy Minisitra miadidy ny Filaminambahoaka, izay nanitrikitrika fa ny polisimpirenena no nanao manontolo ny fanadihadiana, izay azo adika avy hatrany fa tsy misy idiran’Ingahy Seg io raharaha fanadihadiana io.

Taorian’io filazana io dia nisesisesy ny fanambarana avy amin’ny mpomban’ny fitondrana toy ireo avy amin’ny Antenimierandoholona, Antenimierampirenena, ireo antoko politika mivondrona ao amin’ny Irmar, ka Ingahy Ratsirahonana Norbert Lala mihitsy no nandray fitenenana na dia azo lazaina aza, ho efa zara fa misy ny antoko Avi izay tarihiny, fa maro ireo mpikambana no efa nifindra lasy any amin’ny Mmm.

Tsy nisy ny fanononana anarana mazava avy amin’ny fitsarana sy ny polisimpirenena fa dia ny filazana fotsiny hoe misy teratany malagasy mizaka ny zompirenena frantsay, sy teratany frantsay mpandraharaha no atidoha nikotrika ny famonoana an’Ingahy Filoha. Ny vaovao navoakan’ny mpahalala vaovao tany ivelany no nahenoana fa tafiditra amin’izao raharaha izao, Ingahy Rafanoharana Paul izay marihina, fa nipetraka teo anilan’Ingahy Filoha tamin’ny fanamarihana ny fetimpirenena tetsy Mahamasina tamin’ny 26 Jona 2021 teo.

Maro ny hevitra mifamoivoy mikasika izao raharaha izao, izay azo sokajiana ho telo mazava, ao ireo mpiaradia amin’ny fitondrana izay mitompo teny fantatra amin’ny fisian’ny fikasan-dratsy handatsakaina ny Filoha, ka samy nanao litania tamin’ny alalan’ireo teny fankaherezana isankarazany, fa tsy vitsy koa ireo olompirenena tsotra no mahasahy milaza hoe sarimihetsika natao hanatsarana endrika an’Ingahy Filoha io toejavatra io, fa misy koa ireo manambara fa azo eritreretina ihany ny fahamarinan’ilay filazana ary miampanga avy hatrany ny frantsay ho tompon’antoka amin’izao fikasana izao. Nambaran’ireto sokajin’olona fahatelo ireto fa Ingahy Filoha anie ka ny frantsay no nahatonga azy teo amin’ny fitondrana tetezamita sy namerina azy tamin’ny fifidianana feno hosoka, kanefa ankehitriny Ingahy Filoha toa miseho milay araky ny fiteninjatovo maninana ny frantsay, ny toejavatra toy izany hoy ireo sokajin’olona fahatelo dia tsy levon’ny vavonin’ny frantsay.

Andrasana ny tena valin’ny fanadihadiana marina, satria raha ny vaovao mivoaka tsikelikely eny rehetra eny dia efa any ampelatanan’ny fitsarana sy ny polisimpirenena hono r’Ingahy Rafanoharana ary efa voaporofo ny fisian’ny volabe mihodina amin’izao raharaha izao. Ho hita eo ny tohiny fa ny azo ambara aloha dia tsy voafehy ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena, manjaka ny asandahalo any amin’ny faritra ary mitaintaina amin’ny herisetra isankarazany ny mponina an-tanàndehibe, ny koronaviriosy tsy mbola fongotra tanteraka, ny tambin’ny asa vitan’ireo orinasa nikojakoja lalana odian’ireo mpitondra fanina, kanefa potika avokoa ny ankabeazan’ny lalana manerana ny nosy, fa etsy andaniny ireo mpitondra ireo, efa midoboka amponga fa nahazo volabe avy amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena, ka asa na mba ho voaloa amin’izay ny volan’olona.

Eto ampamaranana dia aleo tsorina fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainambahoaka, ka ny ankabeazan’ny vahoaka malagasy dia tsy miasa saina amin’izany fikasana famonoana izany, fa ny ahitany izay arapaka tsy ahafohy andro azy mianakavy no mahaseriny azy ireo. Manana fitaovampiadiana hari-fomba sy mpitandro filaminana havanana ireo mpitondra afaka hiaro ny tenany sy ny fahefany hoy ireo vahoaka leon’ny fahantrana, vokatry ny tsy fahaizamitantana nataon’ireo nomem-pahefana, ampiasao hoy ireo vahoaka ireo, ireo fiara mifono vy niatrehana ny koronaviriosy sy ireo fitaovana raitra dia raitra naseho teny Mahamasina, izay hitan’ny voamason’Ingahy Rafanoharana, izay tsiahivina fa nipetraka teo anilan’Ingahy Filoha. Arovy amin’ireo fitaovana ireo ny ainareo manampahefana sy ny fahefanareo, dia mba vahao amin’izay ny olanay vahoaka hoy hatrany ireo vahoaka misedra fahasahiranana lava.