Fikaonan-doha nasionaly – Mitombo hery hatrany ny mpanohitra, fahombiazana ny andro voalahany

Ny Valosoa

Tontosa omaly zoma 23 Jolay 2021 tetsy amin’ny Ri La Tsio Buffet Bypass ny andro voalohan’ny fihaonamben’ny mpanohitra, teo ambany fitarihan’ny Filoha Marc Ravalomanana, notronin’ireo lehiben’antoko samihafa avy amin’ny fanoherana eto amintsika, ny avy amin’ny firaisamonina sivily, tonga navitrika ihany koa ireo mpikambana Rmdm avy any amin’ny faritra 22, tazana tao koa ireo olompiangonana sy ireo ray amandreny ara-drazana ary ireo olomboafidy isan’ambaratonga avy amin’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sy ireo Loholona teo aloha lany tamin’ny anaran’ny Hvm.

Fotoampivavahana no nanombohana ny fotoana fa nandritran’ny kabary fanokafana dia niray feo ireo nandray fitenenana, fa tsy misy ny fanajana ny lalampanorenena sy ny demokrasia eto Madagasikara, santionany tamin’izany Ramatoa Arlette Ramaroson, Andriamatoa isany James Ratsima, Tabera Randriamanantsoa, Andriamiseza Alain, ny Depiote Rakotomanjato Rodin, ny Senatera isany Jafetra, Remi sns…

Tsy takona afenina tokoa fa mibaribary ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana eto amin’ny firenena, izay lalàna faratampony mametra ny fomba fifampitondrana matotra eo amin’ny fiarahamonina, midika ho fandavana ny fisian’ny” firenena” ny fanaovana tsinontsinona io lalampanorenana io ary ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), izay mamoaka didy tsy azo ivalozana, dia tena tsy azo ihodivirana tokoa ny didy avoakany raha mifanaraka amin’ny hasin’ny fahamarinana sy ny fahamendrehana ka maharesy lahatra ny vahoaka manontolo, hatramin’ny mpanohitra.

Raha mandalo fotoantsarotra ny firenena dia tsy misy afa tsy ny fikatsahana ny fihavanana no vahaolana, ary mazava ny voasoratra ao anatin’ny lalampanorenana, fa izay laharana faharoa tamin’ny fifidianana fiohampirenena dia manana anjara feno eo amin’ny raharaha politika . Dika vilana tanteraka no navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, satria tsy manaja ny fisaraham-pahefana fa milatsaka ho mpanao lalàna sy manaiky be fahatany ny baikon’ny fahefana mpanantanteraka.

Ny Filoha Ravalomanana raha nandray fitenena nandritra ny fanokafana ny Kongresy dia nanambara fa misy ny fehinkevitra efa nomanina sy efa voadinika kanefa dia tsy maintsy nirosoana ny kongresy, satria zavadehibe ny fakana ny hevitry ny rehetra ary na dia efa maty paika aza ny fomba fijerin’ny mpitarika dia ilana ny fankatoavan’ny daholobe, izay rahateo no mampiseho fa mpandala ny demokrasia ny Filoha Ravalomanana.

Taorian’ny nanambaran’ny Filoha Ravalomanana ny fisokafan’ny kongresy tamin’ny fomba ofisialy dia niroso tamin’ny asam-baomiera ny mpizaika, nahitana vaomiera efatra :
-Fitantanana ny raharahampanjakana,
-Toekarena sy ny fifandraisana iraisampirenena,
-Politika,
-Sosialy sy kolontsaina ary fanabeazana.

Tao anatin’ny fahalalahana tanteraka ny fizotran’ny fifanakalozankevitra, izay hiafara tamin’ny famoahana ny fehinkevitra niraisana anio Sabotsy maraina 24 Jolay 2021. Hita taratra nandritra ny fihaonana fa azo lazaina ho fahombiazana ny Kongresin’ny Rodoben’ny mpanohitra ary mitombo hery hatrany ny fanoherana eto Madagasikara.