EDITO 24 jolay – Aoka tsy hisy atao tombo sy hala

Sôh’son

Mahalasa saina, inona ny tian’izao fitondrana izao ahatongavana? Vahoaka tsy mieritreritra zavatra afa-tsy fahasahiranany sy ny fahantrana iainany andavanandro, no vesarana tranga hafa ivelan’ny kajiny. Moa tsy heveriny ho karazana fanarian-dia azy tsotra izao izany tsy ho reraka anaty olam-piainana atrehiny, ka hahatonga azy hisaina lalina handinika ny fomba itondran’izao fitondrana azy izao? Iaraha-mahalala ny hifaràn’izany eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena. Izay indrindra angamba no ezahin’ny fitondrana sorohina ankehitriny, ka amoahana izao tranga anaovana resabe etsy sy eroa izao.

Aoka tsy hariana dia ny vahoaka fa izy aza efa reraka miady irery eo amin’ny fiainany, mba ho velona isan’andro satria tsy misy miahy azy amin’izany intsony hatramin’ny taon-dasa nidiran’ny valanaretina teto amin’ny firenena. Hiaro tena sy hiàla bala amin’izany ny fitondrana, ka hitabataba hiseho hilaza fa tena niasa ary misy ireo vahoaka notsinjovina sy nampiana ara-tsosialy. Marina amin’ny ampahany kely ihany izany, fa tsy marina amin’ny ankapobeny. Ny antony, ampahany kely monja amin’ny vahoaka no nisitraka izany, fa ny maro, niala maina natao toy ny Zanak’Ikalahafa ary notazanina fotsiny izay nanjo azy. Fahoriana no natrehin’ireo nailika ireo, nisy ny narary ary nisy mihitsy ny namoy aina. Very asa, nikatona ny orinasa niasana kanefa efa manambady aman-janaka. Tsy hitany intsony izay fomba ivoahana ao anaty olana. Iza no nisaina momba azy ireo amin’ireo mpitondra ireo? Ireo anefa no tomponandraikitra momba ireny olom-pirenena ireny.

Eto amin’ity firenena ity, misy olom-pirenena, toa avelavela amin’izao fotsiny ny manjo azy, ary matimaty fahatany fotsiny amin’izao toy ny tsy anisan’ny vahoaka Malagasy. Nisy aza namoy ny ainy noho ny tsy fitandremana amin’ny fitandroana ny filaminana. Nitranga izany tamin’ireo mpianatra tamin’ireo Oniversitem-panjakana tany amin’ny faritra. Toa tsy hita izay tohin’ny fanadihadiana amin’izany fa zary very an-javony. Misy olom-pirenena mamoy ny ainy noho ny zava-nitranga toy izany eto, tsy hita be ihany ny fihetsiky ny manampahefana. Ankehitriny anefa ambara sy voizina tampotampoka, fa misy mikasa hamono ny olon’ny fitondrana? Moa tsy misy mizana tsindrin’ila izany na fanaovana ambanin-javatra ny hafa? Misy Malagasy toa atao vitavita ho azy ny raharaha nanjo azy, fa misy hafa toy ny atao andrianina izany? Rehefa Malagasy dia tokony ho iray na ny fitsinjovana azy amin’ny lafiny maro samihafa izay andraikitry ny fitondrana, na fiarovana azy ihany koa dia tokony tsy hisy fanavahana. Izay ny lalana iray ahafahana miroso amin’ny fihavanana sy ny firaisankina marina, ka hampisy ny hambompo amin’ny fitiavan-tanindrazana ary hanandratra ity firenena ity.