Seces Antananarivo – Nivadika tamin’ny teny nifanomezana ny Praiministra

Franck Razakambelo

Niova hevitra tsy nankato an’ireo teboka fitakiana napetraky ny Seces (Syndicat des enseignats chercheurs et chercheurs-enseignants de l’enseignement supérieur), nandritra ny fihaonana natao tamin’ny 17 Janoary 2020 lasa teo ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, hoy ny mpikambana ao amin’ny Seces Antananrivo. Io no nisongadina nandritra ny fanambarana nataon’ny Seces Antananarivo, taorian’ny fivoriambe izay nataon’ireto farany tetsy amin’ny “Gymnase “ Oniversite Antananarivo ny alakamisy maraina teo.

Nilaza ny Profesora Ravelonirina Samy Grégoire filohan’ny Seces sampana Antananarivo, fa tsy misy valiny hatramin’izao ny fangatahana “Maintien en activité” amin’ny alalan’ny “Dérogation speciale”, izay nataon’ireo Mpampianatra mpikaroka izay efa napetraka teny anivon’ny “Primature” nanomboka ny 06 Novambra 2020 lasa teo, kanefa efa nifanaraka ny roa tonta nandritra ny fihaonana, fa ho eken’ny Praiminisitra avy hatrany ireo antotan-taratasy mikasika ny “Maintien en activité” ireo raha toa ka mahafeno an’ireo mason-tsivana izay napetraky ny Seces no sady eken’ny “Collège des enseignants” ary ankatoavin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony. Ankoatra izany, nanohy fanazavana ny filohan’ny Seces Antananarivo, fa tsy mahasehaka ny filan’ireo Oniversite manerana ny nosy ny “Poste” miisa 250 ho an’ny Mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, izay omen’ny Fitondram-panjakana, vokatr’izany tokony hanatanteraka “Recrutement” sy hanokatra “Poste budgetaire” ho an’ny Seces ny Fanjakana amin’izao fotoana izao, satria efa betsaka ireo Mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, izay efa nodimandry sy nisotro ronono.

Nanamafy ity tompon’andraikitra ity, fa andrasan’ny Seces Antananarivo ny valin’ny Tolo-dalàna sy ny volavolana Didim-panjakana mikasika ny hetahetan’ny Mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampiantra, izay efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraiki-panjakana ary mampahatsiahy an’ireto farany ny Seces, mba hijery akaiky ny fandoavana ny “Relicat”, ny ”Heure complémentaire”, ny ”Indemnité de recherche et investigation” ho an’ny Mpampianatra mpikaroka izay nisotro ronono ny taona 2018, ka hatramin’ny 2020.

Anisan’ny tapaka nandritra ny fivoriambe nataon’ny Seces Antananarivo ny alakamisy teo ny fanekena ny fangatahana nataon’ny Seces sampana Fianarantsoa sy Toliara, hanatanteraka “Conseil national” ary handrafitra ny laha-dinika mikasika an’izany “Conseil national” izany ny mpikambana ato ho ato.