Andro tsy hiasana noho ny fety silamo 20 jolay – Mifanitsaka amin’ny fanadinam-panjakana BEPC

Radafy

Nanambara ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy fa ny andron’ny talata 20 Jolay 2021, fety silamo EID UL ADHA dia andro tsy iasana kanefa andraisan-karama, manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Izany andro izany anefa tafiditra indrindra ao anaty fanadinam-panjakana Bepc, izay hanomboka ny alatsinainy izao ary tsy hifarana raha tsy ny Alakamisy 22 Jolay. Sadasada manan-tsoratra ny fisehon’izany, satria mety misy, ohatra, olona voakasik’izany, tsy tokony hiasa kanefa voatery miasa ao anatin’izay androm-panadinana izay. Hisy ho sahiran-tsaina ny amin’izany fifangaroan-javatra izany raha tsy voazava tsara sy voalaza ny lamina momba izany.

Rehefa jerena lalina, ny tomponandraikitra namaritra ny fotoam-panadinana ve tsy mahalala na tsy te-hahalala izany, fa tetiandro ny azy no faritana dia izay? Ny eo anivon’ity antokom-pivavahana manana ny andro lehibeny ity koa ve hanana fandaminana atao sa ny azy ihany ? Marina aloha ary tsy misy afaka handà, fa tsy maro an’isa no manaraka io fivavahana io eto Madagasikara, fa izao anefa izy manomboka homena sehatra izao eo amin’ny fiainam-pirenena.

Fanapahan-kevitr’izao fitondrana izao ny amin’izany ary andraikiny ny mandinika izany. Ny tiana ahatongavana fotsiny, dia ny fisorohana ny fiantraikan’izao fifangaroana izao any amin’ireo mpisehatra amin’ny fanadinana, na mpiasa amin’ny sehatra hafa tafiditra amin’ireo tontolo roa ireo.

Aiza ho aiza koa anefa ny lanja amin’ny fanajàna ny laisity ao anatin’izany rehetra izany? Ny soso-kevitra azo atao dia ny manaraka ny finoana silamo ihany, no tokony tsy hiasa amin’io talata io, fa tsy ny rehetra, indrindra ny mpanao fanadinana, tokony handeha ny fanadinana. Ny zavatra tsapa amin’izao fifanitsahana daty izao, tsy mirindra mihitsy ny fanapahan-kevitra ao anivon’izao fitondrana tarihan’ny filoha Rajoelina, sy ny Praiministra Ntsay izao.