Filoha Rajoelina – Lasa tsy manao veloma, tonga tsy miarahaba

Beharo

Isaky ny mandeha any ivelany dia toa lasa tsy manao veloma, tonga tsy miarahaba ny vahoaka Malagasy, izay tompon’ny fahefana ny filoha Andry Rajoelina.

Amin’izao diany any Côte d’Ivoire izao, tsy vitsy ireo olona sendra ny gazety no nilaza, fa tamin’ny andron’ireo filoha nifandimby tany aloha dia fantatra mialoha hatrany izay dia na toerana nandehanan’izy ireo sy ny Antony indrindra indrindra rehefa hivoaka ny Nosy izy ireo. Izany dia fomba fanao eny amin’ny seranam-piaramanidina rehefa handao ny firenena ny filoha, manasa ireo mpanao gazety manao teny fohy na manazava ny fanasana izay ho aleha, mba ho toky ho an ‘ny rehetra mpanara-baovao sy karazana fanaovam-beloma. Rehefa tonga ihany koa anefa ny filoha dia mitondra voan-dalana indray, ka manao fiarahabana mazava, tatitra tamin’ny dia izay nataony eo anatrehan’ireo serasera sy manampahefana, izay mitsena azy, izay sady voninahitra ifanomezana ihany koa.

Ny filoha Andry Rajoelina anefa dia tsy re tsaika hatrany rehefa hivoaka any ivelany, ka efa tonga any amin’izay alehany vao hanaovana akom-baovao, fa lasa atsy na aroa, izay mampametra-panontaniana ny maro ihany manao hoe: ny dia miafina ve no mety sy mahazatra ity filoha ity, sa ny lasa tsy manao veloma, tonga tsy miarahaba no efa nitaizana azy hatramin’izay, sa koa ny mandeha tsy miera no heveriny, fa tombontsoa amin’izao vanim-potoana itantanany izao?

Tamin’ity taona 2021 ity aza moa ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy mba niarahaba ny vahoaka Malagasy tratry ny taona, saika nisy ihany ny fifampiarahabana sady ho fampahafantarana ny PEM, nefa tsy nety teraka izany hatramin’ity ny androany.