Renin’i Berija – Mitalaho amin’ny fitondrana ny hamoahana an’i Berija

Niaina

Nivahiny tao amina fahitalavitra tsy miankina iray ny Renin’i Berija: Elia Razafindrazafy tamin’ity herinandro ity. Avoahay Berija hoy izy, fa mba soa ihany no nataony ny filoha Rajoelina. ”Mba soa ihany no nataon’ny zanako anao Andriamatoa filoha Andry Rajoelina kanefa potehinao sy Lalatiana ny hoavin-janako. Resaka fitsikerana Cvo tao anaty tambazotra “facebook” ve no hamotehanareo ny fiainan-janako any amponja sy nampidirana anay fianakaviany “violon”, resaka politika io fa tsy dia izay loatra raha ny tena marina. Efa nasain-dRamatoa Lalatiana nanao taratasy fifonana tany aminy sy ny filoha Andry rajoelina ny zanako, kanefa dia vao mainka nalentiny. Mba nanao ny tsara ihany iny zanako iny tamin’ny fanampiany anao Andriamatoa filoha ary anisan’ny nahazaoanao io toerana io, kanefa dia izao no valiny. 2009-2017 no niara-niasa io filoha io sy ny zanako tamin’ny resaka fandaminana ny grevin’ny “bourses” ary mbola niera taminy izy talohan’ny namaliany ny antso nataon’ny fitondrana Hvm azy mahakasika ny famitany ny fianarany ka nanjary niara-niasa. Tamin’ny fotoana nanaovan’ny zanako sorona ny tenany ny taona 2015 tany Tsiafahy ho an’io filoha io na “1 franc” aza tsy azo taminy, nanaramana mpisolo vava, fa izahay no voatery nivarotra ny tanindrazanay. Tratran’ny tsindry ihany koa ireo ao amin’ny fitsarana manoloana ity raharaha ity, “publication” ve dia ampigadra 44 volana be izao, porofo izao fa ianareo no mibaiko ny fitsarana. Io zanako io, tsy nanondrana harem-pirenena tsy namono olona, tsy nangalatra, kanefa tsy mba nahazo ny “remise de peine” nataon’ny filoha farany teo. Tsy vitan’izany ihany ny fanapotehina nataon’ity minisitry ny serasera ity, fa efa nalainy baraka hatrao amin’ny radio free fm ihany koa, fa mpivaro-panahy sy tsy mahay teny frantsay ary mpanao kolikoly Berija ka “disqualifier” hatramin’ny fanadinana “inspecteur des douanes” nataony dia izao mbola nogadrainao 44 volana indray koa. Sarotra amin’ity fitondrana ity ve ny mifampiresaka na dia efa nitalaho sy nilela-paladia taminareo aza ny tenako dia tsy noraisinareo. Hanao ahoana ny hoavin’ity firenena ity raha atao sahala amin’izao avokoa ireo ankizy nahavita fianarana? », hoy ny Renin’i Berija mitalaho ny hamoahana ny zanany amin’ny fitondrana Rajoelina.