Fitondrana Rajoelina Tsy araka ny anarana isalorany sy ny foto-keviny no hita

Radafy

Tsy araka ny anarany isalorany sy ireharehany hoe lamasinina haingam-pandeha (TGV) ny zavatra hita ankehitriny, fa na ny fandehan’ny sokatra aza mbola mety haharesy azy. Porofo maneho izay ny tsy fivahan’ny olan’ireo sokajin’olona manao hetsika fitakiana ao anaty fotoana fohy sy haingana, na ihany koa ny fisorohana ny tsy ipoiran’ireny tranga maro samihafa ireny.

Iray amin’izany, ohatra, raha tsy nanao hetsika fitokonana ireo mpitatitra amin’ny fiara vaventy tany atsinanana momba ny làlana simba amin’ny lalam-pirenena faha-2 iny, izay vao mody mihetsika manao fanamboarana izany ny fitondrana. Efa mikorontana ny mpianatra teny amin’ny Anjerimanontolo tamin’ny faritra rehetra, nitaky ny vatsim-pianarany sy ny fanampin’izany, izay vao mihazakazaka mamaha, hatrany amin’ingahy filohan’ny Repoblika mihitsy no miseho milaza fa handinika akaiky ny raharaha. Ary ela izany famahana olona izany vao vita, mbola nisy mpianatra namoy ny ainy aza tao anatin’izany.

Asa izay mba vahaolana setrin’ireny raha mba nisy ho an’ny fianakaviany nataon’ny fitondrana. Raha tsy hilaza afa-tsy izao farany izao, dia ny hetsika fitakiana ny karaman’ireo niasa tamin’ny CTC-19, izay tsy azo tao anaty efa-bolana. Nitabatabana mihitsy ny fiantsoana ireo vaovao izay vonon-kiasa tamin’izay, hiantsehatra hiatrika ny andiany faharoa amin’ny valanaretina covid-19. Nisy mihitsy aza ny voambolana hoe ”izay tsara sitrapo” no nantsoina ary homena karama sy tombontsoa manokana. Tsikaritra tamin’izay, fa niendrika fanilihana ireo paramedy, tsy sasatra mitaky ny zony, na fanampempoana azy ireo mihitsy aza no natao tamin’izany. Ankehitriny, ireo noraisina, fa “tsara sitrapo”, azon’ny “diamanga”, amin’ny fandrirarirana ny karamany. Manao ahoana raha ny filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra, ireo minisitra rehetra, ireo depiote sy loholona, ny eny amin’ny Hcc, ireo tomponandraiki-panjakana ambony no tsy omena karama ao anaty efa-bolana na mihoatra an’izay aza? Rehefa mpiasa aty amin’ny sampan-draharaha ambany toy izany ve, ao anatin’izany ny mpiasan’ny orinasa Kraoma sy ny hafa, efa hisy aman-taonany ny an’ny sasany tsy mandray karama, no atao an’izany?

Ireo Nosy Malagasy

Ity fitondrana Rajoelina ity tsy mba antenaina hahavaha olana ao anaty fotoana fohy tadiavin’ny vahoaka. Na ny nampanantenainy koa aza toy izany ihany. Iray lehibe amin’izany, fa tsy sahiny resahina be ny momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy amin’ny fitondrana frantsay.

Efa ho herintaona mahery izao no nidedahana fa ho tafaverina amintsika Malagasy ireo Nosy ireo. Iaraha-mahita ny amin’izany. Efa manomboka manorim-paka mihitsy amin’ireo Nosy ireo, toy ny ao amin’ny Nosy Sambatra ry zareo Frantsay amin’izao fotoana izao. Ny hetsika ataon’ny fitondrana anefa tsy hita soritra be ihany. Raha nahavita dingana folo ny fitondrana amin’izay fiorenam-paka ao amin’ireo Nosy ireo izay, ny fitondrana Malagasy kosa zara raha nahavita roa amin’ny asa soratra an-taratasy eto an-toerana.

Toy izany ny kisarisary azo anoharana ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsy hita izay maha haingam-pandeha izao fitondrana izao amin’ny asa ataony amin’izany. Ny fikambanana hafa no zary lasa saropiaro sy sahiran-tsaina manoloana izany rehetra izany, toy ny Otrikafo sy ny Fikambanana A.N.M. misy ny profesora James Ratsima. Soa ihany aloha fa misy ireny fikambanana sy olona ireny miady amin’izany, fa raha tsy niteny angamba ireo teto, fa niandrasana ny fitondrana niseho ho babany noho ny hafa, sasara-ko hariva ny andro.

Ny sehatr’asa

Ny iray lehibe andrasan’ny maro amin’izao fitondrana Rajoelina izao, dia ny momba ny asa. Dedaka ery i Andry Rajoelina nilaza, rehefa nisy ny fanakianana samihafa avy etsy sy eroa, ny amin’ny fanomezana “haranjono fa tsy trondro” amin’izay. Mitombo andro aman’alina, mihazakazaka isam-bolana sy isan-taona, ny isan’ireo tsy manana asa, ny very asa, ny vaovao miditra eo amin’ny tsenan’asa eto amin’ny firenena. Io no fositra iray lehibe mampahantra ny vahoaka sy ny firenena.

Tsy manana vahaolana maika momba izany izao fitondrana izao. Milalao tanana fotsiny sisa no ataony, satria eo ny tsy fananana traikefa sy fahaizana mamaha izany. Io tsy vitan’ny hoe, olona iray na roa na folo na zato, eny na fikambanana iray na roa no nokarakarain’ny fitondrana notolorana asa, dia hoe efa mamaha olana ny fitondrana. Tsia, ny olom-pirenena tratry ny olana amin’io sehatr’asa io dia efa aman’hetsiny isan-taona, ary nanomboka hatramin’ny taona 2009-2010 nanakorontanana ny firenena sy nanonganam-panjakana teto, ary mandraka ankehitriny izany toe-javatra izany. Tao anatin’izay taona maro izay, efa nisy ny dimy taona tamin’ny tetezamita, ary izao roa taona sy tapany nitondrana, fa niadam-pamindra tsy araka ny anarana nisalorany ny famahany ny olana momba ny vahoaka amin’izay asa izay. Ho an’ireo efa miasa aza mbola mahita olana ihany, toy ny any amin’ireo orinasa afak’haba maro. Tsy misy fiarovana amin’ny asa ny mpiasa Malagasy.

Be ny teny tiana ambara, fa raha fehezina izao fitondrana Rajoelina izao, dia mby amin’ilay fitenenana hoe:” mpitsabo aorian’ny fahafatesana”, mazava ny dikan-teny, amin’ny olana ilàn’ny vahoaka vahaolana maika. Tsy maintsy mbola hisy ireo sokajin’olona hafa hipoitra hilaza ny manjo azy sy hanao fitakiana. Ity fitondrana ity mantsy dia tsikaritra sy tsapa mandrakariva, fa tsy mba manana ny maso hijery lavitra hisorohana izay toe-javatra ho olana mety hipoitra eo amin’ny fiainam-bahoaka.