Fanadinam-panjakana bakalôrea Misy tsy filaminana ny fikirakirana « convocation »

Radafy

Na tsy marobe aza, dia misy ireo tranga mampimenomenona na dia tsy afa-manoatra aza ireo mpiadina hiatrika fanadinana. Ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalôrea no tena nahenoina izany.

Ny voalohany, dia nisy ireo fiantsoana na “convocation” ny mpiadina no naverin’ireo tompon’andraikitra any amin’izy ireo noho ny resaka adiresy. Amin’ny lafiny iray mety ho marina ihany ny fahamailoan’ny tomponandraikitra, kanefa, ny tsikaritra dia eo ny tsy fahaizan’izy ireo momba ny fifehezana ny adiresy na anaran-tanàna. Nilaza ny mpiadina iray, fa marina ny adiresy nataony, anaran-tanànany. Tsy mahay izay ireo tomponandraikitra mikarakara ny fiantsoana, fa nasaina namerina adiresy indray ilay mpiadina. Tena lesoka izany, satria lany fotoana ilay mpiadina, efa akaiky anefa ny fotoam-panadinana kanefa, mbola adalaina handany fotoana hiakatra eny Ankatso indray hamerina hilaza mazava fa io no adiresiny. Tsy fahaiza-miasa tsotra izao izany.

Teo indray niatrika fanadinana adina ara-panatanjahantena ny mpiadina. Vita ny fanadinana, misy indray nolazaina ho tsy vita fitomboka ireo avy nanao izany, ka mila miverina eny an-toerana nanaovana ny adina ara-panatanjahantena, hasiana fitomboka ny taratasy fiantsoana na “convocation”. Mandany fotoana ireo mpiadina izany ary tsy azo odian-tsy hita mandany vola ihany koa. Iaraha-mahalala anefa izao fotoana ankehitriny izao amin’ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Miharihary mazava izany, fa misy tsy fandaminana sy ny tsy fahaizan’asa. Ny mpiadina aleo izy hifantoka amin’ny fianarany hahafahany fanadinana.

Misy lesoka hatrany ny fikarakarana atao amin’ny mpiadina miatrika izao fotoam-panadinana bakalôrea izao hatreto, asa hanao ahoana ny manaraka? Voarebireby ny mpiadina amin’ny zavatra tsy fahaizana na tsy fitandremana avy amin’ny tompon’andraikitra. Efa tsy fotoan’izany intsony izao, raha ny fidehak’izao fitondrana izao, izay miseho ho manaraka ny fenitra sy tena mahay noho ireo fitondrana hafa teo alohany. Tokony hilamina tanteraka ny zavatra ataony amin’izao, indrindra taorian’iny lesoka goavana tamin’ny taona 2018 iny.