FANOVANA HANAO AHOANA ?

Tsy mifampatoky intsony ny ao anaty fitondrana,
Ka dia tsy azo ihodivirana ny hisian’ny fanovana.
Saingy tena fanovana sa fanjairana ny rovitra?
Asa fa ireo tompon-toerana, be no efa mihovitrovitra!

Ireo izay efa tsy nahomby, nampikaika ny vahoaka,
Dia tsy hay raha mbola haverina na dia tena ho voaroaka.
Raha ny zava-misy mantsy, ireo ilay mpila ranondranony,
Ary vaka ny filoha satria toy ny olona ao an-tranony!

Ka na inona tsy mety, ka na inona hadalany,
Dia mazàna tsy voakitika fa haverina eo ihany.
Izay no tena mahakivy, izay no tena mahonena,
Misy hatrany ny hena-maso nefa ain’ny firenena!

Ary iretsy vitsivitsy, tsy be teny fa mba miasa.
Ireny indray no ho voadaka, ireny indray ve no ho lasa?
Dia vao mainka ho raharaha fa dia tsy hisy zava-banona,
Raha ny tsy mahomby indray no hany sisa tafajanona!

…Dia ny ampitso no hanambara, dia ny ampitso no hilaza.
Ho voatana ihany ve ireo zatra ny mivazavaza
Sy ireo mihevitra ho mahery, zatra ny mihetraketraka,
Havanana amin’ny sinema fa efa tsy mahay mipetraka?

DADAN’i RIANA (14-07-21)