Olan’ny ady tany sy lalana potika – Tsy alehany ny ministra Hajo. Tsy afa-miala koa Rajoelina

Ny Valosoa

Taorian’ny tsy nahateo amin’ny fitondrana ny Filoha Ravalomanana dia tsy nandeha tamin’ny laoniny intsony ny fanaovan-dalana teto amintsika, na tamin’ny fitondrana tetezamita izany na tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina, satria tsy nisy intsony ny fanaovan-dalana vaovao ary ireo lalana vita mirefy 9000 km mahery tamin’ny fitondrana Marc Ravalomanana aza dia tsy nisy fikojakoajana, fa dia potika tanteraka, misy ireo tsy azo ampiasaina intsony ary ny hafa indray efa nivadika ho dobo filomanosana.

Noresahina teto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao ny fitokonan’ireo fiarabe mpitatitra entana vokatry ny fahasimban’ny lalampirenena faharoa, ny vahaolana naroson’Ingahy Hajo Andrianainarivelo minisitra misahana ny asa vaventy dia ireo faritra tena simba tanteraka hono no asiana fanamboarana, satria tsy ampelatanana ny entimanana amin’ny fanarenana tanteraka ny lalampirenena faharoa, ny dikan’izany dia “tip top” araky ny fitenin-jatovo no atao, izay fantatra fa vahaolana vonjy tavan’andro ihany.

Miloloha rano roa siny Ingahy Hajo Andrianainarivelo, satria ankoatra ny Asa vaventy dia misahana ny Fanajariana ny Tany ihany koa izy, efa tamin’ny fitondrana tetezamita no efa tao izy, ary Praiminisitra lefitra mihintsy izy tamin’izany. Marihina f’ity minisitera ity no miandraikitra ny resaka fananantany, ary nanomboka tamin’ny fitondrana tetezamita no niseho ny gaboraraka tamin’ny fanomezana tany ireo vahiny, efa nisy mihintsy ny fanadihadiana parlemantera nataon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita na ny “ CST”, saingy very anjavona izany fanadihadiana izany, satria rava ilay andrimpanjakana nony vita ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika fahaefatra.

Ankehitriny, miverina eo amin’ny toerany indray ity minisitra nanao gaboraraka sy tantely afa-drakotra ny tanin’ny malagasy ity, ny tena zava-doza dia ny fahalanian’ilay lalàna momba ny fananantany tamin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera roa tonta teo, izay milaza fa ny tany tsy vitan’ny tompony fanajariana dia azon’ny fitondrana alaina na dia lovan’ilay tompony aza.

Tamin’ny taona 2005 nitondran’ny Filoha Ravalomanana dia nisy ny lalàna niaro ireo teratany malagasy tompon’ny tany, satria nahatsapa ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana, fa matoa tsy vitan’ireo tantsaha ny manamaintimolaly ny zarataniny dia noho ny tsy fananana ny entimanana, ka tokony ho ampiana ny tantsaha hoy ny Filoha Ravalomanana, fa ny lalàna nolanian’ny Antenimiera roa tonta teo dia manilika ny tantsaha sahirana ary manome vahana ireo mpanambola malagasy na vahiny, ka matoa lany io lalàna sadasada io dia mety amin’ny minisitra tompon’andraikitra. Nisy ny fangatahana avy amin’ny SIF na ( Sehatra Iombonana ho an’ ny Fananantany) miangavy ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, tsy handany io lalàna io sady mangataka ihany koa ny tokony mbola tsy hampiharana io lalàna vaovao io.

Matoa tsy lavorary ny fikojakojana ny lalampirenena rehetra ary tsy misy koa ny fanamboaran-dalana vaovao dia tsy mahay ny asany ny minisitra tompon’andraikitra, kanefa tsy afa-miala amin’ny fahasimban’ny lalana sy ny ady tany koa Ingahy Filoha Rajoelina, satria dia voaporofo fa bala rora ny fampanantenana nataony tamin’ny fampielezankevitra, ary matoa tsy vita ny lalana dia tsy misy ny tetibola ho amin’izany, fa any amin’ny rendrarendra tsy ihinanan-kanina no andaniana ny volambahoaka ary indrindra indrindra matoa mahazo vahana sy mirehareha fatratra ireo vahiny amin’ny fambaboana ny tanintsika malagasy dia tsy ireo minisitra voakasika toy ny fanajariana ny tany sy ny fitsarana ihany no fositra, fa Ingahy Filoha mihintsy no ahombiazan’ireo vahiny mpaka ny tanin’ny Malagasy.