Vehivavy TIM Analamanga – Hamerina an-dRavalo eo amin’ny fitondràna no tanjony

Ny Valosoa

Vory lanona ireo Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM) faritra Analamanga ny sabotsy teo, tao amin’ny QG Bel’Air, nandritra ny fihaonana voalohany nataon’ireto farany ho fantatry ny vahoaka, fa misy izany Vehivavy TIM izany ary vonona hijoro.

Teo ihany koa ny fampisehoana ireo birao hitantana vonjimaika ny faritra Analamanga, izay tarihan’ny filohany Rahelisoa Arphine; ny sekretera jeneraly Noromalala Ramaholisoa, ny mpitambola, ny mpitantsoratra, sy ireo filoha lefitra miaraka aminy isaky ny distrika mandrafitra ny faritra Analamanga izay miisa 12, ary ireo mpiandraikitra ny serasera isaky ny boriborintany sy ny distrika.

Tokana ny tanjona dia ny hanabe voho ny antoko Tiako i Madagasikara, indrindra ny andriamavilanitra ao anivon’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity, ka hampiroborobo izany araka ny baikom-pitolomana fa hameloma-maso (redynamisation) ny antoko TIM manomboka izao.

Ny lehibe indrindra amin’ny tanjona dia ny hametraka ny filoha Marc Ravalomanana hitantana indray ny firenena amin’ny fomba ara-dalàna. Nisy ny tolona nataon’ny vahoaka ny taona 2009 nanoherana ny fanonganampanjakàna sy nitakiana ny hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Vita amin’ny ampahany ny tolona, fa ny famerenana azy indray ho eo amin’ny fitondràna no mbola tsy vita, fa mbola andalana ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana.

Noho izany, hijoro ny vehivavy TIM, izay renim-pianakaviana mahatsapa ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy ankehitriny. Hanao fitaratra ho an’ireo vehivavy manerana an’i Madagasikara ny TIM Analamanga amin’ny fanetsiketsehana ireo vehivavy marobe mangetaheta hiditra ao anatin’ny antoko, tsy manavaka rahateo koa izy ireo, fa vonona handray ireo vehivavy sy renim-pianakaviana rehetra te hanatevin-daharana.