Fitondrana Rajoelina – Nopotehany ny Kianja Mitafon’i Mahajanga, tsy vita hatreto

Lita

Mpandrava marina ny fitondrana Rajoelina fa tsy mpanangana.

Noravany ny Kianja Mitafo na ny Gymnase Couvert ao Mahajanga, miahaka tsy vita izany hatramin’izao, nampanantena anefa ny filoha Rajoelina nialoha ny fandravana izany, fa ho vitaina ao anatin’ny fohy io kianja mitafo io. Mbola Ambatobevohoka aloha hatreto no hitan’ny mponin’ny renivohitry ny faritra Boeny, raha ny momba ity foto-drafitrasa ara-panatanjahantena noravaina ity.

Efa ho 2 taona izao no nopotehan’ny fitondrana izany toerana izany, tsy ireo mpanao fanatanjahantena any an-toerana ihany no malahelo sy mitaraina noho izany, fa saika ireo olona tia fanatanjahanetena any amin’ny renivohitry ny faritra Boeny.

Soso-kevitr’izy ireo ny hoe : tokony tsy noravaina ilay toerana, fa nitady toerana hafa hanaovana ilay « Gymnase » vaovao, izao hoy izy ireo voa roa i Mahajanga : ny kianja potika, ny toerana anaovana fanatanjahantena toy ny basket-ball, volley-ball, hand-ball, sns… tsy misy.