Fitondrana tsy mahaloa volan’olana – 3 volana tsy nomeny karama koa ny mpiasan’ny CTC

Stefa

Fitondrana tsy mahaloa volan’olona, sy tsy mpandoa volan’olona marina ity fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao ity.

Tsy vitsy ireo efa tsy naloany, na mbola tsy efainy ny volan’izy ireo, toy izany ireo mpandraharaha sy mpianatry ny Oniversite, ny mpandraharaha mpikojakoja lalana manerana ny Nosy, ireo mpiasam-panjakana amin’ny antsoina hoe budget autonome, na ireo asam-panjakana fa manana tetibola manokana, ireo mpandraharaha mpivarotra, izay nalaina ny entany tamin’ny taon-dasa nanaovana Tosika Fameno, Vatsy Tsinjo, nefa tsy naloa, na efa elabe taty afara vao nefaina ny volan’izy ireo,…

Izao dia fantatra indray, fa tsy nefain’ny fitondrana ny tambin-karaman’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny CTC, izay misahana ny fitsaboana sy ny ady amin’ny valanaretina coronavirus. Noho izay antony izay, manome 48 ora ny fitondrana ireto mpiasan’ny CTC ireto hanefan’ny mpitondra ny anjara volany. Nanao hetsika fanairana nanoloana ny minisiteran’ny fahasalamana tetsy Ambohidahy izy ireo omaly dia ireo mpiasan’ireo ivon-toeram-pitsaboana COVID 19, noho io karama sy tambin-karaman’izy ireo io, mbola tsy noraisiny tato anatin’ny 3 volana izao. Manome 48 ora ny fitondram-panjakana izy ireo hanefana izany.

Mety hiafara amin’ny fampiatoan’ireto mpiasan’ny CTC ireto ny asany ny tsy fandraisan’andraikitry ny fanjakana, hoy hatrany ireto mpiasa nanao hetsika ireto. Tena mamono olona izao fitondrana izao, amin’ny fomba ahoana no iainana 3 volana tsy mandray karama izany?