13 Jolay – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy alefa amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao fanehoan-kevitra manaraka izao.

Tena mety tsy ho tafa intsony tokoa ve izany ny Malagasy? ppn miaka-bidy; Iles Eparses lasan’ny Frantsay; dahalo sy ny jiolahy manao ny ataony ; asa tsy misy; vary sy rano olana avokoa, sns…

Ny eran-tany no misedra crise, fa miezaka mitady solution hitsinjovany ny vahoaka ao aminy, ny eto ny vahoaka no mamerina ny volan’ny karana lany tamin’ny propagande, mba hisy hanjakan-jareo kokoa dia nakatona ny eto an-toerana, mba hampitomboana ny importation, izay ireo karana no tena manao izany fanafarana entana izany jiaby…

Izay nifidy azy aloha dia maneva hijinja izay nafafy e! Ankoatr’ireo angatra sy matoatoa nofohazina hifidy…

Raha resaka tsy fanarahan-dalàna ve, ity fitondrana ity no tena loza amin’atambo fanetriben’ny firenena, tia kitranoantranao ary feno fankahalana ve? Iza no tsy nahatanteraka izay nosoniavina momba ireny hadalana be sy fandrombana ireny? Ampahafirin’ny noravaina sy ny tokony honerana taminy ireny? Tambazotran-tserasera, Jirama, Telma, Ppn! Karana daholo no ao ambadik’ireo , inona no mampidina ny sandambola? Firy ny stock volamena ao amin’ny Bfm? Nankaiza daholo?

Pffffff, ny kely saina sy ny marivo salosana no azo veriverezina.

Ludmilla Heritafika
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao