RY KOMITY FAMPIHAVANANA

Ry komity fampihavanana, aiza ho aiza no tsy re,
Kanefa anisan’ireo rafitra nandaniana volabe?
Sa dia andrasana hipoaka irony saron’ny vilany,
Vao hipoitra indray ‘nareo, dia toy izany hatrany hatrany?

Ry komity fampihavanana, manan-toeram-boninahitra,
Sao ‘nareo ilay hoe angady tsy dia mahatapaka ahitra?
Fa natao ho ravadravaka, sy ho haingo ery ambony,
Ka namboarin’ny mpitondra mba hanao ny sitrapony?

Raha tsy izay dia mijoroa ka aoka tsy hitazantazana.
Aza andrasana ho rendrika ito nosy tanindrazana.
E ! mitohy ny fifandirana eto Madagasikara,
Ka ’nareo no antenaina, mihetseha fa sao dia tara.

Tena mila fampihavanana ny Malagasy manontolo.
Ny mpitondra, ny mpanohitra, mila etsehina daholo.
Ry komity o! ianareo no hany sisa antenaina.
Izay nataonareo hatreto, aoka tsy ho very maina!

Aza dia mipetra-potsiny, falifaly ny hitavana.
Vita ve ny andraikitrao ry notendrena ho mpampihavana?
E ! jereo ity firenena, mbola misy ny azo atao.
Ry komity, mijoroa fa mbola manantena anao!

…Fa sambatra ny mpampihavana hoy ny tenin’ny baiboly.
Mijoroa ka misehoa ho lavitry ny kolikoly.
‘Ndeha jereo ny Malagasy trotraky ny hanoanana.
Mila vatsy, mila tohana, ary indrindra fampihavanana!

DADAN’i ZINA (04-07-21)