EDITO 10 jolay – Famoretana hetsi-bahoaka – Fanehoana tsy fahampiana traikefa sy tsy fahaizana mamaha olana

Sôh’son

Ny minia mnao bemarenina, hono, no tena marenina indrindra noho ny marary amin’izany na ara-boajanahary.

Tsy misy sehatra izay tsy ahenoina fitarainam-bahoaka amin’izao fotoana izao, niha nitombo izany. Tsy voatery ho resaka politika izany ary tsy misy ifandraisany amin’izany, fa misy tena trangan-javatra mahaory ilay vahoaka. Ny akaiky indrindra amin’izany, dia ny hetsika nataon’ireo mpamily fiara vaventy na kamiao lehibe tany atsinanana. Efa nisy fotoana nampitaraina ireo mafy fa tsy nohenoin’ny tompon’andriki-panjakana akory, eny na dia efa nampiako-peo misimisy aza ireo tamin’izay. Ankehitriny tsy lefitr’izy ireo intsony ny zava-misy amin’ny lalan-kizorany sy ny atao aminy ka dia izao mihetsika mitokona izao izy ireo. Inona nasetry izany, daroka lakrimôzena ho fanaparitahan’azy ireo. Tsy nisy ny vahaolana naroson’ny fitondrana fa hery sy fitaovam-piadiana no nampiasainy. Ny olona tsy ampy traikefa sy fahaizana mamaha olana, hono, no tsy mahita atao afa-tsy ny mampiasa hery.

Dia izay hatrany no hita matetika eto amin’ity firenena ity rehefa misy manao hetsika toy izany. Nibaribary izany tamin’ny nanaovan’ny mpianatra hetsika fitakiana na tany Toamasina na tany Toliara. Nisy mihitsy aza ny mpianatra namoy ny ainy tao anatin’izany. Raharaha iray lehibe io toa zary tsy henoheno intsony ny tohiny fa toa nampanginingina fotsiny hatreto. Nambara hisy ny fanadihadiana atao kanefa aiza akory izay vokany eo? Avelavela amin’izao fotsiny ve izany ny ain’ny zana-bahoaka toa ireny? Fa nahoana? Amin’izao fotoana izao anefa, olona tsy mbola voaheloka na dia nampangaina fotsiny izao fa nikotrika famonoana, tsy nahafaty olona akory, avy hatrany dia nalefa eny fonjan’i Tsiafahy sy Antanimora. Misy olona anefa eto, mazava loatra fa mpitandro filaminana, tany amin’ireo oniversité roa ireo, avy amin’ny fitaovam-piadiana no nahafaty ireo mpianatra, fa toa mangatsiatsiaka milamindamina any ho any. Fitantanam-pirenena tsy milamina izany n’inona n’inona fanazavana, ary midika ho tsy fahaiza-mitondra firenena mihitsy.

Ny zava-misy eto amin’ity firenena ity ankehitriny, misy toe-javatra mampikoropaka sy ihazakazahana mihitsy ny fanadihadina atao sy ny fampidirana am-ponja, fa misy na nahitana heloka bevava aza, fa misy rà latsaka sy aina nafoy, toa tsy hita izay fiafaràn’ny raharaha fa arirarira eo fotsiny amin’ny hoe efa misy na mandeha ny fanadihadiana, dia mijanona eo ny resaka. Maro ny tranga toy izany izay mahatonga ny olom-pirenena hieritreritra sy hisaina, fa tsy mandeha amin’ny rariny sy hitsiny ny fitantanam-pirenena eto amin’izao fotoana izao. Tsy hahasoa ny vahoaka sy ny firenena velively izany. Tsy hampitsahatra ny fitarainam-bahoaka tototry ny fahantrana sy ny fahasahiranana lalina anefa izany fomba fitantanana izany.