Valanaretina – Mananontanona antsika ny variant delta

Niaina

Manontanona antsika eto Madagasikara amin’izao fotoana ny valanaretina coronavirus amin’ny endriny mahery vaika kokoa, variant delta.

Raha ny zava-misy ankehitriny, efa ao amin’ireo firenena manodidina antsika ity valanaretina amin’ny endriny mahery vaika ity: ora iray mahery avy eto amintsika atsy amin’ireo nosy manodidina raha fiaramanidina izany valanaretina izany: atsy La Réunion, Maorisy ary Seychelles. Ora 3 eo amin’ny fiaramanidina kosa raha avy atsy Afrika Atsimo, izany hoe raha misy ny tandrevaka dia ho tafiditra eto amintsika io valanaretina variant delta io, izay mampanahy ny OMS sy ny iraisam-pirenena koa ny fipariahany, indrindra aty Afrika.

Ho antsika eto Madagasikara, fanidiana ny sisintany ihany no vahaolana, ary tokony tsy hisy anavahana izany, fa rehefa mikatona dia mikatona. Fa efa miresaka valanaretina ihany isika, tarehimarika nivoaka farany momba ny Covid-19 : 16 tranga vaovao teto Madagasikara ny 8 jolay. 16 tranga vaovao hita tamin’ireo 394 nanao fitiliana ny 8 jolay 2021. 18 sitrana. 1 maty, io nodimandry io dia teto Analamanga. Arak’izany, tafakatra 931 ny olona namoy ny ainy noho ny valanaretina Covid-19 hatramin’izay nidirany teto Madagasikara tamin’ny volana martsa 2020. 46 ny tranga misy fahasarotana ankehitriny.

Mbola eto amintsika ny valanaretina coronavirus, noho izany tokony hitandrina hatrany ny rehetra.