Rina Randriamasinoro – Vonona haka fahefana amin’ny fotoana rehetra ny TIM

Helisoa

Ao anatin’ny fameloma-maso tanteraka ny antoko amin’izao fotoana izao ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), raha niato kely vokatry ny valanaretina CORONAVIRUS teto amin’ny firenena.

Nisy araka izany ny atrik’asa nandinihana ny fampivoarana sy fampandrosoana ny antoko nataon’ny birao politika sy ny mpitarika eto Analamanga, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina ny Tanàna tao amin’ny Espace Manovosoa ALASORA Avaradrano, omaly tontolon’ny andro, izay notarihan’ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Riana Randriamasinoro.

Analamanga aloha no nisantarana izany omaly, fa hitety ny faritra manerana an’i Madagasikara izahay hoy ity farany, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany. Antoko velona sy miaina ny antoko TIM ary vonona haka fahefana amin’ny fomba ara-dalàna sy amin’ny fotoana rehetra, ary efa manana ny rafitra eny ifotony nandritra izay 19 taona nijoroany izay, na nisy aza ny sedra nolalàvana.

Fa ho fanatsarana ny antoko araka ny fanambaràna nataon’ny mpandrindra nasionalin’ny antoko TIM, Jean Claude Rakotoniriana dia omen-danja ny hevitry ny rehetra ahafahana mampandroso ny antoko. Hiainga eny ifotony ny fametrahana ireo hitantana ny rafitra: FOKTIM, COMTIM, DISTIM, REGTIM. Hiainga amin’izao atrik’asa izao ny hanatsaràna ny fomba fiasa amin’ny antoko amin’izao faha-19 taona nijoroany izao.