Olana resaka tany – Tsy manaiky lembenana ireo tompon’ny tany eny Antanandrano

Stefa

Olana amin’ny resaka tany eny Antanandrano, tsy manaiky lembenana ireo tompon’ny tany araka ny nambaran’izy ireo. Nampiaka-peo koa ireo tompon-tany any amin’iny faritra Antananarivo Avaradrano iny: “ajanony ny famefena ny taninay, ary eto tsy misy mifampitahotra hoy izy ireo”.

Arak’izany, vonona hanao vy very ny ainy ireto Malagasy tompon-tany ireto amin’izao tsindry hazo lena mahazo azy ireo izao. Mbola mitohy tokoa ny ady eo amin’ny orinasa TELMA sy ireo olona tompon’ny tany eny Antanandrano Avaradrano.

Mampitandrina ny minisitry ny fitsarana ireo mponina, fa rehefa tsy hihaino azy ireo ny tompon’andraikitra dia hiroso amin’ny fandrodanana ireo fotodrafitrasa natsangana eo amin’ny taniny izy ireo. Samy tsy misy mifampitahotra eto hoy ireo mponina na eo ary ireo mpitandro filaminana miasa andro aman’alina dia milaza ny tsy anaiky koa izy ireo.

Ny zavatra hita eny amin’izao fotoana, tsy tahotra tsy henatra, fa sahin’ny karana tompon’andraikitry ny orinasa ny mampitamby vola hatramin’ireo tompom-pasana, fanimbazimbana ny razanay izany hoy ireo mponina. Lazain’ny minisitry ny fitsarana, fa mbola mandeha any amin’ny tribonaly ny raharaha kanefa dia io iaraha-mahita io ny fanomezany vahana ny KARANA, hoy ihany ireo mponina tompon-tany. Tsy misy na dia porofo iray aza hoy ny mpisolovavan’ireo tompon-tany, fa nampanofa na nivarotra io tany io tamin’ny TELMA izy ireo, koa nahoana no bodoina ny fananan’olona?

Didy tsy azo ivalozana no efa nivoaka ny taona 2013 mikasika ny nahazoan’ny tompon’ny tany “Titre”, gaga isika aty amin’ny taona 2021 nanjary nanana taratasy tampoka teo koa ny TELMA hoy ihany ny mpisolovava ireo mponina. Aiza ilay hoe tany tan-dalàna manoloana ity halatra be vava ataon’ny vahiny amin’ny tanin’ny Malagasy ity. Mametraka fanontaniana ny maro, mbola azo itokisana ve ny fitsarana eto Madagasikara?