Fikambanana Assanati Famo Gidraka – Mpanasa lamba 200 mahery nomeny fitaovam-piasana

Aly

Mpanasa lamba renim-pianakaviana miisa 200 mahery, tao Ilanivato Anosipatrana Boriboritany faha-4, no notoloran’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka fitaovam-piasana ny alakamisy teo. Fitaovana ho entin’izy ireo miasa toy ny koveta, seau, borosy, savony, vovontsavony hanasana lamba.

Ireto renim-pianakaviana nahazo fanampiana ireto dia mivelona amin’ny sasa lamba amin’ny Ranon’Anony, na ny Reniranon’Ikopa. Nanolotra izany fanampiana izany, nisolotena an-dRamatoa Assanati, ny solontenany eto Madagasikara, notarihan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana Rojoniaina Brulin, sy ny filoha amin’ny faritra Analamanga Niaina Hanitra.

Mila fanampiana ireto mpanasa lamba ireto amin’ny asany, izay no antony nanampiana azy ireo hoy ny mpanolotra. Tsy hijanona hatreo ny hetsika ataon’ny fikambanana, fa mbola hitety ireo fokontany maro eto Antananarivo sy ny manodidina ary mbola ho any amin’ny faritra koa izy ireo. Tsy hitovy ny fanampiana hatolony amin’izany, fa arakaraky ny filan’ireo mpahazo tombontsoa.

Ankoatra izany, mbola mitohy koa hoy izy ireo ny fanomezana vola ataon-dRamatoa Assanati ao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook. Ny hetsika ataon’ny fikambanana dia hetsika sosialy madiodio, fa tsy misy idiran’ny resaka politika, ny teny filamatr’izy ireo dia ny hoe : « Isika rehetra toujours avec Assanati Famo Gidraka, ny werawera tsy maintsy mandeha ! »