MIHAINGO AMBONY TSIKOKO

– Ahoana ilay mihaingo eo ambony tsikoko?
Tahaka anareo tia mihosotro loko,
Ka hoenti-midedaka sy mihoerahoera,
Dia volomboasary ihany no aderadera!

Dia toy ny mamiratra be izay jerena.
Toa tsisy mahantra amin’ity firenena,
Fa ‘zay tsara ihany no aseho sy tenenina.
Ireo ratsy kosa dia afinafenina.

Dodona foana amin’ny zava-tsy ahoana.
Ny maro amin’ny gasy kanefa efa noana.
Laharana, tena efa mampihisitrisitra,
F’efa ny farany alohan’ny gisitra!

– Ahoana ilay mihaingo eo ambony tsikoko?
Tahaka anareo ilay mpiombona antoko,
Variana amin’ny bizina tena voretra
Ka ‘nareo ihany no hany miletra.

F’iretsy vahoaka madinika kosa,
Dia toa mihareraka sy mihaosa,
Fa sendra mpitarika tsy azo ianteherana.
Tsy olon’ny fo sy tsy misy fitserana!

… ‘Nareo, raha ivelany, mahafatifaty.
Rehefa akekezina anefa lo aty!
Satria tena ankosotra sy saron’endrika,
Ity ilay manintona sy maharendrika!

DADAN’i RIANA (30-06-21)