Depiote Todisoa Andriamapandry – Tsy mahavaha ireo olana samy hafa misy ny fitondrana

Rajo

Nahitsy ny solombavambahoaka voafidy teny Ambohimanarina Todisoa Andriamapandry, naneho ireo lesoka tsy vitan’ny fanjakana sy nanao mizàna tsindrian’ila, raha nitondra ireo tatitra avy amin’ny vahoaka ireo zavatra tsy mandeha eny anivon’ny distrika, ka mila vahaolana haingana avy amin’ny fitondram-panjakana.

Santionany tamin’izany ny resaka rano sy fahatapahan-jiro lava toy ny eny Andranomena, ny tsy fahavitan’ny tohadrano eny Betsimitatatra, resaka fako miavosa, ny tsy fanamboarana sekoly sy lycée, ny karaman’ny mpampianatra Fram sy ny « vacation » tsy voaloa, ary lasa zanak’ikalahafa ny sekoly tsy miankina.

Teo ihany koa ny resaka fahasalamana, satria tsy mba manana « ambulance » akory ny Chrd eny Ambohidroa, ny tsy fisian’ny « poste avancé » eny Ambatolampy sy Ambohimitsinjo, ny resaka fifidianana sefo fokontany, sns…

Na nisy aza ireo solombavambahoaka misolelaka amin’ny fanjakana dia maro ireo nanampy tamin’ny fanakianana ireo fampanantenana tsy tanteraka hatreto, ka mila vahaolana haingana. Efa nilaza ny Praiminisitra fa ho jerena manokana manomboka izao ny distrika sy ny kaominina amin’ny fampitaovana sy ny resaka foto-drafitr’asa, ka ho hita eo indray izay ho tohiny.