LEHIBEN’NY MPANOHITRA

Angaha tsy ingahy Ravalo indray no ho lehiben’ny fanoherana?
Nefa tamin’ny fifidianana, ‘nareo mihitsy no niteny.
Sa variana nihoerahoera ka niteny tsy am-piheverana,
Dia nihevitra ho tsisy hahatsiahy ny laingalainga toy ireny?

Angaha tsy ingahy Ravalo indray no ho lehiben’ny fanoherana?
Izay “mpitatitra ronono”, izany ve dia atahorana?
Sa tsy mandrimandry saina nony injay nahazo toerana,
Ka “nitorona” indray f’izay ilay fombam-pozaorana?

Angaha tsy ingahy Ravalo indray no ho lehiben’ny fanoherana?
Mody ovàna ny lalàna, mody asiana fanitsiana?
Fomba ambany toy izany ve no entina hamerana,
Na koa hanidiana vava ireo mijoro manakiana?

Angaha tsy ingahy Ravalo indray no ho lehiben’ny fanoherana?
Izy anie no faharoa f’izay no voka-pifidianana!
Miakatra ny maripana, mihamitombo ny hatezerana.
Saino ry mpivadi-dela, antomotra ny fionganana!

IRINA HO TAFITA (03-07-21)