Raharaham-pirenena – Efa madivadiva hidaraboka ny fitondrana ankehitriny

Ny Valosoa

Tsy misy ny tranga vaovao eto amin’ny firenena fa ny efa niseho ihany no miverina, raha ny zavamisy iainantsika ankehitriny tonga dia mampitodika avy hatrany amin’ny efa nandalovana teo aloha.

Tanjon’ny Filoha izay nahazo fahefana hatramin’izay ny nangorona manontolo ny andrimpanjakana rehetra, saingy rehefa tonga eo amin’ny faratampony dia mitsororika midina avy eo.

Tamin’ny taona 1991

Lasan’ny Arema avokoa ny andrimpanjakana rehetra toy ny fahefana mpanao lalàna dia ny Antenimierampirenena Entim-Bahoaka momba ny fampandrosoana tamin’izany, ny fahefana mpitsara dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ireo olomboafidy sy olomboatendry nifehy ny fokontany, ny firaisampokontany, ny fivondronampokontany, ny faritany, indrindra fa ny fahefana mpanantanteraka nahitana: ny Praiminisitra sy ireo minisitra ary ny Filankevitra Faratampony ho an’ny Tolompiavotana, izay sady mpanantanteraka kanefa manana endrika Antenimierandoholona ihany koa, ny Komity Miaramila ho an’ny Fampandosoana. Teo ambany fibaikoan’ny Filoha Didier Ratsiraka avokoa ireo , kanefa dia tsy tana ilay fahefana fa niporitsaka.

Tamin’ny Repoblika fahatelo tapany voalohany

Olon’ny Hery Velona avokoa no maro an’isa tany amin’ireo andrimpanjakana nisy, sady azy ireo ihany koa ny toeran’ny lehiben’ireo andrimpanjakana ireo, satria ny Filoha Zafy Albert no Filohan’ny Repoblika, ny Pasitera Andriamanjato Richard no Filohan’ny Antenimierampirenena, Ingahy Ratsirahonana no Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ny Praiminisitra nifandimby dia olon’ny Hery Velona daholo, Francisque Ravony nodimbiasan’i Rakotovahiny Emmanuel avy eo Ratsirahonana Norbert, kanefa dia tratran’ny fampiatoana ny Pr Zafy Albert ary tafaverina teo amin’ny fitondrana indray ny Amiraly Ratsiraka.

Tamin’ny fitondran-dRatsiraka nanomboka 1997

Lasan’ny Arema avokoa indray ireo maro an’isa sy ny toeran’ny lehiben’ny andrimpanjakana rehetra, satria ny Amiraly no Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra dia olona akaiky ny Filoha dia i Rakotomavo Pascal nodimbiasan’i Andrianarivo Tantely, Andrianarisoa Ange no Filohan’ny Antenimerampirenena, Rakotomanana Honore no Filohan’ny Antenimierandoholona ary Indrianjafy Georges Thomas no Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ary ireo Ben’ny tanàna sy tompon’andraikitra tany amin’ny Vondrombahoaka itsinjarampahefana dia nanjakan’ny Arema tanteraka taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny faran’ny taona 1999 ary mbola olon’ny Arema avokoa ireo Governora nifehy ireo faritany mizakatena 6 nisy, kanefa dia resin’ny Filoha Ravalomanana izay Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny Amiraly tamin’ny fifidianana filohampirenena tamin’ny 2001.

Tamin’ny fitondrana Ravalomanana

Mitovy amin’ny teo aloha ihany, satria nahazo ny maro an’isa tany amin’ireo andrimpanjakana rehetra ny Tiako i Madagasikara, mazava ho azy fa olona akaiky ny Filoha Ravalomanana avokoa no nahazo ireo toeran’ny lehiben’ny andrimpanjakana toy ny Praiminisitra Jacques Sylla nodimbiasan’ny Jeneraly Charles Rabemananjara, ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia Lahiniriko Jean, nodimbiasan’i Jacques Sylla, ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia Rajemison Rakotomaharo, nodimbiasan’i Yvan Randrianasandratriniony, ary i Rajaonarivony Jean Michel no Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, nahatafiditra ben’ny tanàna maro ny Tiako i Madagasikara tamin’ny fifidianana 2007, tamin’ny fifidianana depiote teto Antananarivo Renivohitra dia lasan’ny Antoko Tiako i Madagasikara avokoa ny toerana12, kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny ny zavaniseho tamin’ny taona 2009, nisian’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina.

Tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina

Niova matetika ny Praiminisitra kanefa dia samy olon’ny Filoha Rajaonarimampianina avokoa, na Kolo Roger, na Ravelonarivo Jean na Solonandrasana Olivier, ny Filohan’ny Antenimierampirenena na dia Leader Fanilo aza fa tsy Hvm dia olona mahatoky an’Ingahy Filoha Ingahy Jean Max Rakotomamonjy, ny Filoha tao Anosikely dia Rakotomanana Honoré nosoloina Hvm iringiriny dia i Rakotovao Rivo ary ny tetsy Ambohidahy dia Jean Eric Rakotoarisoa “ azo raisina fa tsy mitombina”, izay olon-dRajao tsotra izao tany amboalohany, ireo solombavambahoaka maro izay lany tamin’ny anaran’ny Mapar dia nivadika ho Hvm avokoa ary nanana ben’ny tanàna maro ny Hvm nanerana an’i Madagasikara tamin’ny fifidianana 2015, saingy tsy nahatana ny fahefana ireo satria tsy lany ny Filoha Rajaonarimampianina fa laharana fahatelo.

Ny fitondrana ankehitriny

Na ny fahefana mpanantanteraka na ireo fahefana mpanao lalàna roa tonta, miampy ny fahefana mpitsara dia samy ampihimamban’ny antokon’ Ingahy Filoha Rajoelina avokoa, manana ben’ny tanàna maro ihany koa ny vonimboasary, ary tsy azo adinoina ny fisian’ireo Governora any amin’ny faritra izay notendrena tsy manaraka ny lalampanorenana, ambonin’izany ireo mpikambana ao amin’ny Ceni dia efa azy ambongadiny.

Saingy ny tantara dia tsy mandainga fa rehefa manana ny faratampony amin’ny fahefana ny mpitondra teto dia tratra izay ilay “pic”, ka tsy maintsy hikororosy hitotongana amin’izay, ary ny tsy fahombiazan’ny fitondrana amin’ny lafiny rehetra dia vao mainka manamafy ny fahamarinan’ny tantara, izany hoe efa madivadiva hidaraboka ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana.