Mpampianatra FRAM Cisco Manakara – Tsy nandray karama nandritra ny 14 volana, nihetsika izy ireo

Niaina

Tsy mbola nandray ny karamany nandritra ny 14 volana ireo mpampianatra Fram any amin’ny Cisco Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany. Noho izay antony izay, nanao hetsika ho fitakiana izany valin-kasasarany izany ireto mpampianatra ireto omaly. Nanao hetsika nanoloana ny Cisco any an-toerana izy ireo, naneho ny alahelony ary mitaky ny hamoahan’ny tompon’andraikitra ny Volan’izy ireo 14 Volana, ny VACATION: 2018-2019-2020 ary ny Aide speciale izay nampanantenaina.

Marihana fa efa ela izy ireo no niandry izany ary efa nisy ny fivoriana niarahana tamin-dRamatoa Talem-Paritra ny Fanabeazam-pirenena any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, ka nitenenany fa efa misy vola tonga ao amin’ny Trésor, na ny Tahirimbolam-panjakana. Ny Mahagaga azy ireo dia efa misy mivoaka tokoa ilay vola, fa isafidianana tavan’olona, ao anatin’ny ZAP iray izay ahitana mpampianatra 30 isa dia 5 hatramin’ny 10 ihany no mahazo 2 volana na 3 volana, ka mitaky fanazavana ny mety ho anton’izany izy ireo, na dia nangataka fanazavana aza fa mbola tsy nahazoana valiny hatreto.

Araka ny nolazain’ireto mpampianatra ireto, tsy hijanona hatreo ny hetsika, fa hitohy ny alatsinainy izao, mandra-pivoahan’ny subvention ary ny hetsika izay ataony dia itambaran’ny mpampianatra rehetra ao anatin’ny DREN Vatovavy Fitovinany.