Nosy Malagasy : Iles Eparses – Ela fidona ny fitondrana Rajoelina

Isambilo

Mahakasika ny Nosy Malagasy : Iles Eparses, izao vao nisy fanambarana nataon’ny fitondra Rajoelina tamin’ny alalan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy, ho valin’ny fanambarana nataon’ny fitondrana Frantsay, nanamafy fa azy ireo ary ataony valan-javaboahary ny Nosy Sambatra, na ny Nosy Glorieuses, izay nosy Malagasy ary tena an’i Madagasikara. Efa andro maro, na am-bolana mihitsy aza no nivoaka io fanambarana fanamafisaana nataon’ny fitondrana any Paris io, nefa izao vao misy ny valiny nataon’ny fitondrana Malagasy, toy izao izany fanambarana izany :

Manoloana ny famoahan’ny Governemanta frantsay ny didim-panjakana laharana faha-2021-734 tamin’ny Gazetim-panjakana frantsay ny 10 Jona 2021, izay manangana valan-javaboahary arovana ao amin’ny Nosy Sambatra (Glorieuses), ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy dia manao izao fanambarana izao.

Napetraka ho laharam-pahamehana eto Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny fanamby lehibe nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fikajiana ny harena voajanahary tsy manam-paharoa izay ananan’ny Firenena. Raha tsiahivina dia efa notoherin’ny fitondram-panjakana malagasy ny volavolan’ity didim-panjakana ity tamin’ny 18 Mey 2020, narahin’ny antso avo tamin’ny tompon’andraikitra ambony frantsay mba tsy handraisan’izy ireo fanapahan-kevitra samirery mikasika ny Nosy Sambatra (Glorieuses), Nosy Nandalova (Juan de Nova), Nosy Ampela (Europa) na Nosy Bedimaky (Bassas Da India), mandritry ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta momba ireo Nosy ireo.

Tsy miova ny foto-kevitra ijoroan’ny fanjakana malagasy manoloana ny didim-panjakana navoakan’ny Governemanta frantsay ny 10 Jona 2021. Sady fanaovana tsinontsinona ny antso nataon’ny fanjakana malagasy io fanapahan-kevitra samirery io, no
mifanohitra amin’ny fanambarana iombonana navoaka tamin’ny fihaonana voalohany notanterahin’ny kaomisiôna iraisan’ny roa tonta ny 18 Novambra 2019. Nifanarahana tamin’izany mantsy fa hotohizina amin’ny fo madio ny fifampiresahana hikatsahana
vahaolana mikasika ireo Nosy ireo.

Ny Fanjakana malagasy dia mampahatsiahy fa ny fehin-kevitra laharana 34/91 noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana dia manambara fa an’i Madagasikara ireo Nosy ireo ary mandidy, noho izany, ny Governemanta frantsay: voalohany, hanaisotra ireo
fepetra noraisiny izay manohintohina ny fiandrianam-pirenena malagasy ary, faharoa, tsy handray fepetra vaovao mety hanohintohina ny maha iray tsy anombinana ny tanin’ny Repoblika malagasy, izay mety hisy fiantraikany amin’ny fikarohana vahaolana ara-drariny amin’ny disadisa misy eo amin’i Madagasikara sy Frantsa mikasika ireo Nosy ireo.

Ny Fitondram-panjakana malagasy dia manamafy ny tsy fankatoavany ny fihetsika samirery nataon’ny Governementa frantsay, izay tsy mifanaraka amin’ny fifanekena nataon’ny roa tonta hikatsaka vahaolana amin’ny fomba marim-pototra sy anaty fifanajana eo amin’ny disadisa mikasika ny Nosy Sambatra, Nosy Nandalova, Nosy Ampela ary ny Nosy Bedimaky.

Mahagaga tokoa izao fanambarana nataon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy izao, nahoana no tsy vao nivoaka ny fanambaran’ny Frantsay dia namaly ny Malagasy, fa izao fa nanao izany? Efa samy nitabataba daholo ny sokajin’olona maro samihafa teto amintsika, izay vao nanao izao fanambarana izao ny ministera, ela fidona lava izao fitondrana Rajoelina izao.